Ny faha-11 febroary dia andro manokana hijerena sy hitsinjovana ireo marary rehetra, fa ny 12 febroary dia natokana ho an'ireo mararin'ny androbe. Ny hepatita dia areti-mifindra, izay aretina mpahazo ny aty. Ny asan'ny aty dia manadio ny ra, amin'ireo singa izay manampoizina ny vatan'ny olombelona, izay miditra amin'ny alalan'ny rivotra fohana sy ny maso-koditra, sakafo, firaisana ara-nofo. Ny hepatita dia fahasimban'ny aty vokatry ny zavatra misy poizina na otrik'aretina...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

24 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

♦ Marihina androany 13 febroary ny andro maneran-tany ho an'ny Radio. Hisy anio manomboka amin'ny 2 ora tolak'andro ny hetsika fanamarihana izany, miainga mivantana amin'ny Onjam-peom-pirenena... ♦ Tahotra ny mpanohitra hahazo ny fitantanana an'Antananarivo no nanemorana ny fifidianana ben'ny tanàna amin'ny volana novambra, hoy ny Vovonana Gasy Leo... ♦ Vinavinaina hiakatra 3,42% ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Hitombo maherin'ny 370.000 ny isan'ny mpifidy, aorian'ny famaranana vonjimaika ny lisitra hoy ny Ceni... ♦ Mihamafy ny tsindry avy amin'ny iraisam-pirenena ho an'i Israel sy Palestine, amin'ny tokony ahitàna fifanarahana mba hitsaharan'ny adin'ny roa tonta any Gaza...

23 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

22 febroary 2024 — Ny Fiketrahan'i Masindahy Piera Apôstôly — Fankalazana — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 5, 1-4)

Pretra toa azy koa aho ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy.

Ry malala,
mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho,
dia izaho izay Pretra toa azy koa,
sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy,
ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo;
aoka ianareo hitandrina azy ireo,
tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra;
tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po;
tsy amim-pizakazakana ny Eglizy,
fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
ka rahefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry,
dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.

Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko;
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!

Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!

Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.
na: Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo. (Karemy)

Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Ianao no Piera, ary homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

21 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Navoakan'ny CENI omaly ireo volavolan-tetiandrom-pifidianana amin'ity taona ity. Hotanterahana mialohan'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolontsaina ny an'ireo Solombavambahoaka... ♦ Tsy ankasitrahan'ny Amnesty International ireo sazy vaovao anatin'ny lalàna ampiharina amin'ireo mpanolana zaza tsy ampy taona. Naneho hevitra momba izany ny solontenany aty atsinanana sy atsimon'i Afrika... ♦ Mbola nanamafy ny hitohizan'ny fanafihana any amin'ny Bande de Gaza ny praiministra israeliana, omaly. Teratany palestiniana 52 isa indray no namoy ny ainy tany Rafa, vokatry ny hetsika ara-miaramila nataon'i Israel...

Ny katy dia miparitaka eto Madagasikara ary isan'ireo zava-mahadomelina fitsako. Misy karazany maro ny zava-mahadomelina, raha tsy hitanisa afa-tsy "cocaïne, cannabis, extasi, héroïne, rôrô... Ny katy dia zava-maniry misy "cathinone" izay miasa ho toy ny fanairana ny vatana ka miteraka fihentanana na fahamalinana ho an'izay mandray azy,  mampisy hery sy tanjaka ary tsy mampatory... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i P. Jean Désiré Razafinirina, pretra diôsezanina avy ao Toliara... ♦ Hotontosaina ny 29 mey 2024, ny fifidianana Solombavam-bahoka; ary ny 6 nôvambra 2024, ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, raha ny vinavina tetiandro nambaran'ny CENI androany... ♦ Hiara-miasa amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny mpianatra, sy ny fampidirana azy ireo eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany, ny Ivonteorana fanofanana araka asa ASFIFO, sy ny Université Catholique de Madagascar...

♦ Notendren'ny Papa François, androany 12 febroary 2024, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Aina mamelona sy manamafy ny fifandraisan'ny fianakaviana amin'Andriamanitra, ny vavaka. Io no tari-dàlana pastôraly, natolotry ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, entina hifanentanana amin'ny mpino rehetra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Marary andiany faha-32. Samy nanana ny fanamarihana izany ny isan-diôsezy...

Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i Mompera Jean Désiré Razafinirina, pretra diôseziana, avy ao Toliary, Rektoran'ny Seminera Zokiny, Masindahy Jean Baptiste, Vohitsoa-Fianarantsoa.Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo-Atsimo, Toliara-II i Mompera Jean Désiré. Ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 1997 izy no nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Seminera zokiny, Vohitsoa-Fianarantsoa. Rehefa vita ny roa taona nanaovany ny "stage de régence" dia niverina tao Vohitsoa izy nandalina ny Teôlôjia, ny taona 1999 ka hatramin'ny 2002...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...