17 mey 2025 — Sabotsy, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)

16 mey 2025 — Zoma, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

15 mey 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 16-20)

14 mey 2025 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...