♦ Nampiaka-peo manoloana ireo ambarany ho tandrevaka misy amin'ny fanaraha-maso ny sisin-tany ka nanome baiko ny hanolòna ireo ekipa miasa etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miankina amin'ny teti-bolam-panjakàna 2027 ny fanatanterahana ny fifidianana rehetra amin'ny taona ho avy hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Ny fanavaozana ny rafi-piaraha-monina sy ny rafi-pifidianana no mila dinihina mialoha ny hirosoana amin'ny dingana samihafa eto amin'ny Firenena hoy ny DFP...
• Mitaky ny hanalana ireo tompon'andraikitra tsy mahomby amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity... • Nanome baiko ny hanoloana ireo ekipa miasa etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny alahelony izy androany, fa lasa toerana ivoahan'ny harem-pirenena an-tsokosoko ny seranana eny Ivato... • Efatra andro aty aoriana, tsy misy mangirana ny tohin'ny fanadihadiana momba ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny lalam-baovao mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny fianakavian'ireo niharam-boina sy ny tompon'ilay fiara Renault Express...
♦ Misy mpanakorontana manakana ny fanavaozana eto amin'ny Firenena izao hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena nandritry ny laha-teny fanokafana ny fivorian'ity andrim-panjakàna ity ny antoandro teo... ♦ Fahendrena ny mametra-pialàna ho an'ireo voakasiky ny famoahana voafonja Sinoa 11 isa, hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Nambarany fa manaporofo ny fisian'ny kolikoly avo lenta eto amin'ny Firenena ireny tranga ireny... ♦ Olona 256 no namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto Madagasikara nanomboka ny volana janoary no mankaty. Hatsangana ny "Task Force" ...
♦ Mbola lavitra amin'ny tanjona napetraka no vita amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana hoy ny avy amin'ny SAFIDY... ♦ Azo atao any amin'ireo renivohi-paritany dimy hafa manomboka izao ny fangatahana fanamboarana Passeport. Tsy miova ny dingana rehetra arahina, hoy ny fanazavana nentin'ny tompon'andraikitra... ♦ Ahiana ho nisy nikasa hanodina ny gazoala 1.400 litatra hampandehanana ireo milina mpamokatra herinaratra ao Antsiranana ; saron'ny mpitandro ny filaminana ireo solika ireo... ♦ Nampiharina tao Paris ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina hatramin'ny 6 ora maraina, manoloana ny fandrobàna faobe any...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco