Ny didin'Andriamanitra voalaza amin'ny didy faha-valo dia ny lainga araka izay voalaza hoe " Aza miampanga lainga, aza mandainga", izany hoe ny fandraràna ny miampanga lainga, ny mifosa, ny manendrikendrika, mitory olona tsy amin'ny rariny, mijoro ho vavolombelona tsy marina. Isan'ireo didy maro mpanitsakitsaka izy ity ; ny lainga dia heverin'ny maro ho maivana miohatra amin'ny halatra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ry Andriamanitra Rainay, manampy anay Ianao, ary ny herinao no mampitombo ny voa hafafinay amin'ny tany amin'izao fotoam-pamafazana izao ; fantatray fa tsy ampy asanay, ka enganie Ianao tompon'ny fanambinana mba hatonga ny vokatra ho feno fatra. Arotsahy amin'ny vahoakanao ny tso-dranonao fa rehefa Ianao no mitsimbina dia mahavokatra ny tany, ka hisy hiderainay ny anaranao sy hankasitrahanay.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Manana hasina ny ain'olombelona, natao ho hajaina sy harovana amin'ny fomba rehetra ; manana hasina ihany koa ny fahefana rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pinoana, ara-panjakàna, natao ho toavina. Very hasina ny fanjakàna izay sahy mandatsaka ain'olona, fa very hasina ihany koa ny vahoaka izay sahy manivativa sy manalabaraka ireo olona manana andraikitra, ray aman-dreny eo aminy sy ny fiaraha-moniny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco