Ny vato fototra iorenan'ny fiangonana dia ireo Apôstôly, izany hoe ireo Eveka ankehitriny. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-moina tsara fototra dia ireo mizotra amin'ny dian'ny Mpahary. Ny tokantrano maharitra rehetra dia naorina tamin'ny hitsim-po sy ny fahatsorana. Zava-dehibe ny fahatsorana, fahitsiny ary fahamarina eo amin'ny fiainana. Ny fianakaviana no fototra iorenan'ny fiaraha-monina, zava-dehibe ny fanomezan-danja ny fifanajana, fifanohanana, fifamenoana sy fifanampiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.