Fiainana andavanandro ary mety hahakasika ny rehetra ny "tsy fahombiazana sy ny fahadisoana". Ny atao hoe "tsy fahombiazana" dia ny tsy fahatratrana izay heverina ho vokatra andrasana, izany hoe misy hetsika natao anefa tsy nahazoana vokatra araka izay nofaritana. Ny hoe fahadisoana dia ny fialana amin'ny lalana heverina hitondra any amin'ny tanjona, zavatra tokony natao anefa tsy natao, ohatra hoe fantatro aho fa tsy tokony hifoka sigara anefa hatao ihany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Taon-jezika an-kady ny fanabeazana ka aina no fetra, handao isika hifanome tànana. Ny tiana hambara dia mivelatra be ny fanabeazana. Ny tanjona amin'ny fampahafantarana ny mikasika ny herisetra ao an-tsekoly dia hisorohana ireo mety hitranga, tsy fahazoana vokatra ara-panadinana tsara, fialàna an-daharana, ary fanampiana ny ray aman-dreny halala bebe kokoa ny andraikiny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny herisetra ao an-tsekoly dia matetika mitranga, maro anefa ireo tsy mahalala ireo voasokajy ho herisetra. Ny herisetra dia tranga misy avy ety ivelany miantefa amin'ny olona iray ka mitondra fijaliana sy fanaintainana, ao anaty indrindra indrindra. Ny herisetra araka izany dia misy karazany maro : ara-batana, ara-moraly. Mety hiteraka ratra anaty sy ao am-po, mampihorohoro ny saina. Tsy mahakasika irery ny mpianatra ny herisetra ao an-tsekoly fa mahakasika ireo voaresaka manodidina ny telozoram-panabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Eo amin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana no tena manano sarotra ny dingana, eo amin'ny fitohizanaina sy ny fanajana ny aina. Dingana tsy maintsy lalovana anefa ny fahatanorana, izany hoe ireo 17 hatramin'ny 25 taona, koa ilaina ny fahaizana miaina izany mba ho handram-piainana entina miatrika ny fiainan-tokantrano. Raha hitandro ny aina isika dia ny fikolokolina ny vatana no voalohany, ohatra ny momba ny sakafo, mba hasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco