Ny fivoarana ho an'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana nomena azy. Raha manana 5 minitra ianao hitodianao amin'ny zanakao, hataona ahoana ny fanabeazanao azy? Ny fitodiana dia midika hoe mitaky fahavononana sy finiavana. Ankehitriny dia vidina lafo ny fotoana, noho izany dia sarobidy na minitra vitsy aza ananana mba hiatrehana ny andraikitra maha mpanabe, indrindra ho an'ny ray aman-dreny.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny volana septambra dia fotoana fanomanana ny toe-tsain'ny mpianatra hiatrehan'izy ireo ny taom-pianarana, izay haharitra 10 volana. Ny fivoaram-piainana dia miankina amin'ny tsirairay handray azy. Ny fivoaram-piainana ho an'ny mpianatra : fifindrana kilasy, afaka fanadinana. Ny fanabeazana dia teny entina mandrisika ny sain'ny olona iray hampivoatra azy ; ny fampianarana dia ilay andraikitry ny sekoly mampita fahalalana hatonga ny mpianatra hahazo fivoarana (taranja)... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Mamarana ny taon-tsekoly ny any am-pianarana, ary efa manomana sahady ny fandaharam-potoana ho an'ny taona manaraka. Ny sekolin'ny ray aman-dreny dia mitondra amin'ny fivoarana ho an'ny tsirairay sy ny sekoly ary ny mpanabe. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana no tena hiantefan'ny sekoly ho an'ny ray aman-dreny, fanatsarana ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ireo mpianatra... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny zokiolona, vehivavy, dia efa miaina, tonga sy tafiditra amin'ny vanim-potoanan'ny fitsaharana. Rehefa miha mahazo taona ny vehivavy dia mihena tsikelikely ny ely, izay mampientana ny taovam-pananahana sy ny mahaolona, ary misy fiovana eo amin'ny vatana, ohatra mihamanify sy fotsy ny volo. Ny fiovana misy ety ivelan'ny vatana vehivavy zokiolona dia tsy aretina fa ara-boajanahary, anefa ireny mety hiteraka hitakika tsinahy... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco