Ny fiainan'ny olona dia mitohy hatrany, avy nandranto fianarana dia mitohy any amin'ny sehatry ny asa na sehatra hafa, indrindra ny sehatry ny fanambadiana. Ny fitiavana dia : fahasamihafana, fifamenoana, fifanekena, fifaliana, tebiteby, fiainana lava be. Ny olona mifankatia dia mampisongadina ny fahasamihafàna ary tonga amin'ny fifamenoana, ary mifanaiky hifampitantana amin'ny fiainana. Ny dingam-piainana isan-karazany dia ampy hanefy ny olona ara-po hatanty ny ratram-po.
Ezaka no hatao hanampiana sahady ny tovovavy hiatrika ny ho reny sy ho renim-pianakaviana. Manoloana ny fahasahiranan'ny reny, amin'izao fotoana izao, dia mampanahy ny fiatrehan'ireo tovovavy ho reny, aoriana ao, ny fiainana. Raha hisafidy ny hoe reny ny tovovavy iray dia tokony ho fantany izay manodidina ny fananahana. Ny reny dia ireo niteraka sy nanabe ara-batana ; ny renim-pianakaviana kosa ireo manabe ny saina sy ny fo, ny fanahy, ny maha olona manontolo.
Ilàna fiomanana ny fanambadiana fa tsy atao fahatany, toraka izany koa ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo. Raha hiresaka amin'ny olona manana olana, dia tsy maintsy fantarina aloha ny antony nisian'ny olana, amin'ny alalan'io no hamaritana ny vahaolana, izany hoe mila faharesen-dahatra. Na inona na inona zava-mahadomelina raisin'ny ray aman-dreny mandritra ny fahariana ilay zanany dia tsy maintsy misy fiatrakiny amin'ilay zanany izany.
Na mbola tsy mahalala kolikoly aza ny zaza dia efa misy fanabeazana azo atao mba tsy hitodika amin'izany izy. Na tsy resahana ny zaza àry ny hoe kolikoly dia ny fomba fihetsika manoloana azy mihitsy no mila tandremana mba tsy hampirona azy amin'izany. Tsy ny resa-bola ihany no endrika isehoan'ny kolikoly fa maro ary isan'izany ny fomba fiteny, ka eo indrindra no miditra ny fanabeazana ny toe-tsain'ny zaza dieny mbola kely izy...
• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco