Ny reny dia loharanom-panantenana, loharanom-pitiavana, loharanom-pahatsorana. Ny Reny no mamindra ny aina ho an'ny zanaka, avy amin'Andriamanitra. Tandindonin-doza hatrany anefa ny aina, ary ny fototry ny ady matetika dia fiarovana ny "aina", ny aina dia fitiavana. Ny fanabeazana atao eny anivon'ny ankohonana dia ipoiran'ny fanantenana, izay ny reny no tena miandraikitra azy. Ny vehivavy ela velona noho ny lehilahy, taratry ny fanantenana. Ny reny dia manana fahatsorana izay mampilamina ny ankohonany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny reny sy ny andraikiny, momba ny fanabeazana, manoloana ny zava-misy ankehitriny dia miatrika fanamby lehibe ary miteraka fahasahiranana. Ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fipariahan'ny zava-mahadomelina, ny herisetra toy ny fanolanana, ny fisian'ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra dia isan'ireo mahasarotra ny andraikitra momba ny fanabeazana iantsorohan'ny reny. Ny tosikin'ny teknôlojia sy ny fiovan'ny toetr'andro dia misy akony amin'ny fanabeazana ihany koa. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny hoe "miadana" dia midika hoe moramora izay mifanohitra amin'ny haingana : azo ambara koa hoe "tony" mifanohitra amin'ny saritaka sy tabataba. Ny fiadanana dia mahakasika ny lafiny maha-olona izany hoe ny ara-batana : salama, misakafo, afaka matory ; ny lafiny "ara-tsaina" kosa dia tony miatrika ny fiainana ; lafiny ara-po kosa dia mahazo sy mandray na mizara fitiavana ary mahay mifehy fihetse-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny raim-pianakaviana takian'ny vanim-potoana ankehitriny dia lehilahy manam-panahy ; izany hoe manana finoana sy manompo an'Andriamanitra. Maro ny raim-pianakaviana dia saropiaro amin'ny fanaraha-maso ny zanany, ary mikendry ny hatafita ny zanany. Ny fahasahiranana sy ny asa fivelomana dia misy fotoana mampihena ny fahafahan'ny raim-pianakaviana manara-maso ny fianaran'ny zanaka sy ny fahasalamany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...