Alahady 2A

Alahady. Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia.
Image is not available

Indro tamy hanavotra ny firenen-drehetra ny Tompo, ry vahoakan’i Siona ; hampanakoako ny feony be voninahitra Izy ary ho dibon-kafaliana. (Izaia 30, 19. 30)

Alatsinainy 2A

Alatsinainy. Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia.
Image is not available

Aza mitebiteby intsony fa ho avy ny Mpanavotra antsika. (Izaia 35, 4)

Talata 2A

Talata. Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia.
Image is not available

Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana.

Alarobia 2A

Alarobia. Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia.
Image is not available

Ho avy ny Tompo ary tsy ho ela intsony, hiseho amin’ny firenena rehetra Izy, dia hampiharihary izay nafenin’ny haizina. (Hab. 2, 3 ; 1 Kor. 4, 5)

Alakamisy 2A

Alakamisy. Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia.
Image is not available

Ho revon-kafaliana ao amin’ny Tompo aho, ary hiravoravo amin’Andriamanitra ny foko, satria noravahany fitafiana mahavonjy aho, noetràny fahamarinana toy ny ampakarina miraratra amin’ny haingo sarobidy. (Izaia 61, 10)

Zoma 2A

Zoma. Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia.
Image is not available

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary !

Sabotsy 2A

Sabotsy. Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia.
Image is not available

Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika.

previous arrowprevious arrow
next arrownext arrow

Tamin'ny fomba fiheverana teo aloha, ny atao hoe aina tamin'ny malagasy dia : lahitokana ny aina ; tsy ananam-piry ny aina ; tavim-bilany ny aina ka tsy hita izay havakisany ; fofon'andro ny aina ka tsy hita izay halevonany. Isan'ny soatoavina malagasy ny fitandrovana ny aina. Ny aina dia avy amin'Andriamanitra, vokatry ny fitiavana. Mety marary ny aina, re ny aina izay zavatra ratsy ahatra aminy. Mba hankamamiana ny aina dia zava-dehibe ny fanabeazana. Tena mbola mankamamy ny aina ny malagasy porofon'izany ny fahitana ireo olona mamonjy tobim-pahasalamana. Ny zava-misy ankehitriny dia voakatry ny fanalana ireo taranja nanabeazana ara-pitsipi-pitondrantena sy fanabeazana ho olom-pirenena.

Ny ankohonana no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana, noho izany dia manana adidy amin'ny fanorona ireo tokony hataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny miala sakana dia vanim-potoana tsy azo hiodivirana ho an'ny zanak'olombelona. Ny dingam-piainan'ny olombelona dia miatomboka amin'ny fahazazana, mandalo amin'ny fahatanoràna sy ny fahalebiazana ary miafara amin'ny fahanterana. Ny vanim-potoana tetezamita eo amin'ny fahazazana miampita amin'ny fahalebiazana no hisehoan'ny fialana sakana. Miatrika olana maro samihafa ny tanora satria miova ny toe-batany, miseho lany ny fanahiana, eo koa ny fitobahan'ny fakam-panahy, ny tsy fahatokisan-tena...

Ny sora-tanana dia misy lanjany eo amin'ny fampitàna fahalalana ankehitriny. Na miroborobo aza ny teknôlôjia dia mbola misy lanjany ny sora-tanana. Ny soratra dia fitaovana hifaneraseràna maharitra sy azo tehirizina. Ny sora-tanana dia mampiseho ny maha-izy azy ny olona iray, ahafahana mamantatra ny toetrany ihany koa. Misy fiatraikany mivantana amin'ny mpamaky ny soratra iray. Ny mpampianatra dia tokony ho filamatra amin'ny lafiny ara-tsoratra. Ny mpampianatra ratsy soratra dia mety hatonga ny ankizy ho sahirana amin'ny fianarana ataony, ary mety hatonga azy ho kamo. Ny soratra tsara sy milamina eny amin'ny solaitrabe dia manampy ny ankizy hifantoka sy manampy azy haazo kokoa ny lesona.

Hitsinjovana ny fahasalaman'ny olona rehetra dia naka fepetra ny holafitry ny mpitsabo ka namoaka fifanarahana mba hanentanana ny tsirairay hamantatra ny olona hanankinana ny fahasalamana. Mifampiankina ny andraikitry ny olona hitsabo anao sy ianao tsaboina. Ny anjara andraikitry ny mpitsabo : Fanabeazana ara-pahasalamana, manazava ny fomba hitandroana ny fahasalamana, fa tsy mandresy lahatra, izany hoe maneho hevitra ka ny olona manoloana azy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany. 

[Miara-dalana] Alatsinainy 5 desambra 2022

♦ Mbola manavao ny fanantenana ataony, mba hanohizana ny vavaka ho an'ny fangatahana ny hanandratana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo, ny raiamandreny eo anivon'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara... ♦ Kristianina manodidina ny 1800 no niatrika ny fihatahana masina tao amin'ny Distrikan'i Brickaville, Kaominina Andovoranto, izay toerana nahafatesan'i Mgr Henri de Solages... ♦ Hofaranana ny 15 hatramin'ny 17 desambra 2022, ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Lycée Catholique Sainte Chantal, Soanierana...

Tohiny...

Fitiavana sy famonjena

Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...