Mivoatra ny tontolon'ny fanabeazana, indrindra manoloana ny fivoaran'ny haino aman-jery. Talohan'ny taona 2000 dia tsy nizarazara ny hevitry ny olona manoloana ny tranga sy ny zava-misy notanterin'ny haino aman-jery satria vitsy ireo orinasa nisehatra tamin'ny serasera. Ny fanabeazana tamin'izany dia nisy akony tsara, fa ankehitriny dia maro ny misehatra amin'ny seresasera, ary tsy misy sivana akory aza ny zava-misy aparitak'izy ireny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny Ray aman-dreny mandray andraikitra dia maharo ny zon'ny ankizy. Ny zo dia filàna ara-boajanahary, ny sokajin'olona tsirairay dia manana izany ary indrindra ny ankizy, mba afahany miaina malalaka sy hampivelatra azy. Mifamatotra amin'ny maha-olombelona ny zo. Misy zo fototra 10 iraisana maneran-tany :  Zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, Zo hitafy, zo hilalao, zo hianatra, zo hotiavina... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny reny no akaiky sy maharaka indrindra ny fiainan'ny zanaka indrindra ny fianarany. Ny reny dia feno fanekena : nanaiky ny ho vady ary nanaiky ho reny, nitondra 9volana an-kibo ; ny reny dia misy fifamatorana amin'ny zanaka. Mitebiteby sy mihevitra hatrany ny fianaran'ny zanany ny reny ; afaka mamarana amin'ny fomba mahomby kokoa ny taom-pianarana miaraka amin'ny zanany ny reny, famerenan-desona, fanomanana fanadinana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manana andraikitra hifampizara traik'efa sy hampita izany amin'ny ankohonany avy. Ny hasin'ny ankohonana dia misongadina ho azy rehefa maneho fifampizaràna ny ray aman-dreny. Ny ankohonana dia lalam-piainan'ny zanak'olombelona, singa iray ao anatin'ny tsingerin'ny fiainan'ny olombelona, izay miantoka ny fitohizan'aina. Mbola manohy ny maha-izy azy ny olona iray na ao anatin'ny tokantrano aza fa manana sy mametraka tanjona iombonana kosa, izay manome aina vao ny tokantrano... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...