Ny teny hoe Avent dia avy amin'ny teny latinina hoe:"adventus" izay midika hoe: "Ho avy". Manana tanjona roa ny vanim-potoanan'ny Fiaviana dia ny fotoana hiomanan'ny Kristianina amin'ny Noely ary fotoana hifantohan'ny saintsika amin'ny fiandrasana ny fiavian'ny tompo fanindroany amin'ny farandro. Miovaova isan-taona ny daty fanombohan'ny Fiaviana. Mizara herinandro efatra ary eo anelenelan'ny 27 Novambra sy 03 Desambra mazàna no fanombohany. Ny fanombohan'ny Avent, tamin'ny herinandro lasa teo no taom-baovaon'ny Eglizy, hidirana amin'ny taona litorzika vaovao, araka izany dia tafiditra indray ao anatin'ny taona litorzika, taona D isika izao. 

Amin'ny vanim-potoanan'ny "Avent" toy izao, ny Fiangonana Katolika dia mampiasa famantarana dia ny Fehezam-boninkazon'ny "Avent" (couronne d'Avent), izay ahitana labozia 4 , arehitra isaky ny alahady efatra mialohan'ny Noely. Ireo labozia ireo dia maneho herinandro efatry ny "Avent", labozia iray no arehitra isaky ny Alahady ary mifanaraka amin'ny herinandro ny isan'ny mirehitra. Ny telo amin'ireo labozia dia tokony miloko volomparasy ary ny iray ampiasaiana amin'ny herinandro fahatelo dia miloko mavokely. 

Maro ireo fomba hanamaivanana ny fijalian'ireo fanahy mijaly ao amin'ny afo fandiovana. Miisa 3 no atolotra izao dia ny fampijalian-tena hatao an-tsitra-po sy ny fampijalian-tena tsy fanahy iniana; ny fahoriantsika ao anatin'ny fotoana fohy dia hitondra fahasambarana mandrakizay ho azy ireo. Ankoatra izay dia manampy azy ireo ihany koa ny fanaovana asa fiantrana amin-kerim-po, tena ilain'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana izy ity, ho toy ny ando mirotsaka tsy tapaka amin'ireo fanahy mijaly ao amin'ny toeram-panonerana sy manamaivana ny fijaliany no sady mahasoa antsika ihany koa. Ary ny fahatelo farany dia ny fanolorana lamesa ho an'ny fanahin'izy ireo, araka ny fijoroana vavaolombelona dia nisaotra ilay Pretra namany ny Pretra iray izay efa nodimandry, nisaotra azy tamin'ny fanafahana azy, "noho ny lamesa izay natolotrareo dia niala tao amin'ny afo fandiovana aho ary niakatra any an-danitra, mifanatri-tava amin'Andriamanitra, ilay niarahantsika nitsaoka fahiny".

Raha faritana araka ny finoantsika ny afo fandiovana dia toeram-pijaliana sy fanonerana izay handiovan'ny fanahy izay mbola tsy mendrika ny ho raisina hiditra any an-danitra. Tsy paradisa sady tsy afobe fa toerana manelanelana ny hafaliana tsy manam-petra sy ny toeran'ny fijaliana tsy misy farany ; toy ny afobe ihany izy raha jerena ny fangirifirian'ny fijaliana, ary manahatahaka ny Lanitra kosa izy amin'ny fahamasinan'ireo izay mitaraina; afo mandoro nefa manadio. Misy ny fijoroana vavolombelona isan-karazany mahakasika ny fisian'ny afo fandiovana, ary misy ihany koa ny vavaka mahakasika azy io.

[Miara-dàlana] Zoma 7 febroary 2025

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...