Ny teny hoe Avent dia avy amin'ny teny latinina hoe:"adventus" izay midika hoe: "Ho avy". Manana tanjona roa ny vanim-potoanan'ny Fiaviana dia ny fotoana hiomanan'ny Kristianina amin'ny Noely ary fotoana hifantohan'ny saintsika amin'ny fiandrasana ny fiavian'ny tompo fanindroany amin'ny farandro. Miovaova isan-taona ny daty fanombohan'ny Fiaviana. Mizara herinandro efatra ary eo anelenelan'ny 27 Novambra sy 03 Desambra mazàna no fanombohany. Ny fanombohan'ny Avent, tamin'ny herinandro lasa teo no taom-baovaon'ny Eglizy, hidirana amin'ny taona litorzika vaovao, araka izany dia tafiditra indray ao anatin'ny taona litorzika, taona D isika izao. 

Samy manana ny hevi-dehibe fonosiny avy ireo alahady efatra mialohan'ny Noely ireo ary misy labozia efatra arehitra isaky ny alahady. Ny labozia tamin'ny herinandro voalohany teo dia volomparasy izay maneho ny fanantenana, ny alahady faharoa kosa dia volomparasy ihany koa fa maneho ny fiadanana indray, antsoina hoe labozian'ny Betlehema satria mampatsiahy ny dian'i Masina Maria sy Md Josefa tany Betlehema.
Amin'ny ankapobeny dia fotoam-pifaliana sy fanantenana ny vanim-potoana Fiaviana fa tsy hoe fibebahana toy ny amin'ny Karemy akory, na izany aza dia mitaky ezaka ara-panahy isanandro mba hitondra hery sy fahasoavana ny fetin'ny Noely. Tao amin'ny evanjely tamin'ny alahady no namampitain' i Joany Baptista ny hafatr'Andriamanitra milaza ny hoe: Amboaro ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny alehany: mila mijery izay tokony amboarina eo amin'ny fiainantsika isika; mijery koa ny lemaka: ny zavatra tsy ampy tokony hototofana; ny havoana: ireo toetra ratsy tokony hahetry. fotoana izao hiverenana amin'Andriamanitra, hihavanana misimisy kokoa ary hampitombo ny finoana izay efa hananantsika...

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...