Ny sakafo hoanina ao anatin'ny iray andro dia tokony hisy ireto filàna fito ireto, sakafo ahitàna : hery fiasana (glucide), hery fanorenana (protide), misy menaka (lipide), singa manamora ny fandevonana sakafo (fibre), sakafo ahitana sira mineraly isan-karazany, sakafo ahitàna vitamina, sakafo ahitàna rano.  Ny fatra ilain'ny vatan'ny olona amin'ireo sakafo voalaza ireo dia tsy mitovy ho an'ny olona tsirairay... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Aretina mpahazo ny maso-koditra ny mony, mahakasika ny taona rehetra indrindra ny tanora sy ny lehibe. Ao anatin'ny hoditra dia misy "follicule pileux" sy ny "glande sébacée" mamokatra iray tsiranoka atao hoe "sébum" izay manamandina ny hoditra sy ny volo. Raha tsentsina ny maso-koditra noho ny antony maro samihafa dia miteraka mony, fa mety hisy koa vokatry ny otrik'aretina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny kankana na atodi-kankana resahina eto dia ireo atodi-kankana tsy hitan'n maso, tafiditra ao amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny sakafo hohanina na amin'ny alalan'ny maso-koditra... Taona maromaro ny fivoarany sy ny fikisahan'ny atodin-kankana ho any amin'ny atidoha. Ireo karazana kankana telo mety hanafika ny atidoha : Voavary (cysticerque) avy amin'ny kisoa,  bilharziose avy amin'ny rano maloto,  toxoplasmose avy amin'ny tai-tsaka... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny 14 novambra no andro maneran-tany ho an'ny Diabeta, izay tsy aretina fa toe-batana. Ny fihinana fanafody na tsindrona dia natao mba handaminana ny toe-batana fa tsy fitsaboana. Ny diabeta dia fiakaran'ny tahan'ny siramamy ao anatin'ny ran'ny olona noho ny tsy fahampian'ny "insuline" vokarin'ny sarak'aty na ny sela ao anatin'ny vatan'ilay olona mihitsy no tsy mahavita mampiasa ny siramamy...  Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...