Mety ho tsemboka daholo ny olona rehetra. Misy taova kely mpamokatra hatsembohana, ka rehefa mampihetsika ny vatana na miasa saina isika dia miakatra ny hafanana ao anatin'ny vatana, eo indrindra no mampiasa ilay ivo-pibaikona ao amin'ny atidoha mba hananan'ny vatana hafanana antonony na mety aminy hafahany miasa tsara. Ny hatsembohana dia tsy misy fofona fa ny loto amin'ny hoditra miaro amin'io rano ireo no mahatonga ny fofona na mety ho vokatry ny sakafo nohanina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.