Ilaina ny fahafantarana ny tantara, ny 14 oktobra dia daty manana ny tantarany ho an'ny firenena Malagasy, nahaterahan'ny Repoblika Voalohany. Nankalazaina ary natao ho fety hatramin'ny taona 1972, ny andro nahaterahan'ny Repoblika. Taty aoriana dia natambatra tamin'ny fankalazana ny 26 jona ny fetin'ny Repoblika sy ny fetin'ny Fahaleovantena. Nisy ireo dingana nolalovana mialoha ny 14 oktobra : ohatra ny 1944 nisian'ny Conférence de Brazzaville, izay niresahana ny famotsorana ireo firenena voazanaka ;  teo koa ny Conférence de San Francisco ny taona 1945... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Ny tantara dia fototra sy zava-dehibe tsara ho fantatra ary isan'ny maha olom-pirenena. Ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara, ny 26 jona 1960 vao nambara ny fiveranan'ny fahaleovantena. Rariny raha ankalazaina ho fetim-pirenena ny 14 oktobra fa ny 26 jona kosa dia fetin'ny Foloalindahy. Ny tantara efa nisy no manaporo fa azo atao ny maka ireo orinasa sy seha-pamokarana nofehezin'ny vahiny ka notantanan'ny Malagasy maro ny nahazoana vokatra tsara; anatin'ny fanavaozana izao, hirika afahana mampandroso ny fahalalana ny tantara... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Misy singa mampihavaka firenena iray, misy hita maso, ary misy koa ny ren'ny sofina. Ny fototra miisa telo maha firenena ny tany iray dia ny tany, ny teny ary ny tantarany ; famantara hita maso ny sainam-pirenena ary ny ren'ny sofina kosa dia ny hiram-pirenena. Ny fampiasana ny tenim-pirenena no isany hanehoana ny fiandrianam-pirenena amin'ny fotoan-dehibe toy ny fivoriana iraisam-pirenena maro samihafa sy fifanankalozana ara-diplômatika. Ny fahamarinana sy ny fandalàna izany no tena maha-olombanona sy maha olon'ny finoana, ary mampivoatra, ombana firaisan-kina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Ny manana faharanitan-tsaina dia olona mety ho tompon-toerana fotsiny ; ny olona manana rafi-tsaina no tompon'andraikitra, ireo anefa dia afaka mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana olona ho tompon'andraikitra izay mitereka vokatra tsara izay tena fahavanonana ; fa ny fitaizana kosa dia fampitàna fahalalana ho tonga fahaizana mba hatonga azy hahazo asa na toerana. Eo amin'ny 15 taona eo no fametrahana rafi-tsaina ao amin'ny olona iray. 11 hatramin'ny faha-15 taona no misokatra ny maha izay ny olona iray, koa eo no tena ilàna fifankahazoana sy fifampiresahana, ary hamantarana ny safidy sy talenta ao amin'ny zanaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...