Ny hoe "66 taona" dia tokony azo adika ho tena fahaleovan-tena, na eo ary ireo tsindry avy amin'ireo vondrona sy firenena samihafa. Ny teny, ny tantara ary ny tany dia singa fototra hampisongadinana ny tena fahaleovantena ary teboka hiaingana amin'ny fanavaozana marina. Ny teny malagasy dia teny velona sy mivoatra, isan'ireo teny mita sisin-tany ka manana ny lanjany any amin'ny firenena sy ny toeran-kafa toa an'i Comores sy Paris. Mila mifanentana isika Malagasy hanatsara ny toe-tsaina, hifanome hasina, hifankatia, misy hatrany ny fanantenana rehefa miray hina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
26 jona 1960 - 26 jona 2026 : 66 taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara ; na misy aza ny tsindry avy any ivelany, hita taratra ny fijoroana sy ny fahasaratom-piaron'ny Malagasy mikasika ny fiandrianam-pireneny. Songadina tsara sy mamelona indray ny fanantenana ny fiaraha-mientana sy ny firaisankina tamin'ny fankalazana ny fetim-pirenena ; ny fitafiana no hita ety ivelany fa na eo aza izany, ny fo miray dia efa vinaky tamin'ny endrika mirana sy fomba fitafy isam-paritra, Malagasy tokoa, tia ny fireneny, tia ny kolontsainy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manamafy hatrany ny fandaharana fa ny fifanajana sy ny fanajana dia manana ny lanjany ary antoka mahatsara ny rafim-piaraha-monina. Ny raim-pianakaviana no fitaratra ho an'ny zanaka lahy ary manana adidy lehibe izy hampiseho toetra mendrika ho an'ny ankohonany. Sarobidy ny ray, lohan'ny ankohonana, mitarika sy manabe, izy noho izany no miantoka ny fahatsarana na fahapotehan'ny fiainan'ny fianakaviana manontolo. Mahatsara ny fiaraha-monina ny fihavaozana izay mitaky fahatsiarovantena amin'ny toe-javatra maro... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny kolontsaina no mampiavaka ny firenena samihafa. Miandrandra fanavaozana ny Malagasy ary ny fiverenana amin'ny fanajana ny kolontsaina no fototra tsara hizorana amin'izany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia soatoavina tsara mpampiavaka ny Malagasy; voalohany amin'ireny ny fanajana ny tena amin'ny alalan'ny fitondran-tena mendrika (fomba fiaina sy fomba fiteny). Ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampiresahana dia vokatry ny fifanajana sy fanajana, mampitsiry fitiavana, ireny no mampitoetra ny fifanomezan-kasina ka hampilamina ny fiaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco