Ny fifampitokisana dia fototry ny fifankatiavana ary fomba iray afahana miala amin'ny fahasarotapiaro. Ny olona tia dia olona tokony hiaina ny fahamarinana ihany koa. Ho fampandrosoana ny firenena dia mila mifampatoky sy firaisan-tsaina ny vahoaka sy ny mpitondra ; ialàna ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana. Isika Malagasy ihany no afaka hikaroka vahaolana amin'ny raharaham-pirenena fa raha ireo vondrona na fikambanana avy any ivelany dia mihonona amin'ny tombontsoany. Ny fanamarihana ny 29 marsa dia tokony hampitamberina ao am-po sy an-tsaina ny tena fitiavan-tanindrazana marina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny tantara amin'ny hendriny rehetra dia ilaina amin'ny fifandraisana, indrindra ao anatin'izao rafitra fanatontoloana izao. Ny mahadika ny hoe "fanatontoloana" dia izao tontolo izao an'ny olombelona rehetra, izany hoe izay mahazo ny toerana iray dia mahakasika ny rehetra. Mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny izao tontolo izao, manoloana ny ady ifanandrinan'ny firenena maro any ivelany any, mahakasika an'i Madagasikara izany na amin'ny ampahany aza ka isan'izany ny sandam-bola sy ny fanjifàna solika ary ny olana ara-toekarena haterak'izany... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Isan'ny sehatra miaina ny rivotry ny fanavaozana misy ankehitriny ny diplômasia sy ny toerana, indrindra ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ireo firenen-dehibe any ivelany toa an'i Rosia sy i Frantsa. Ny arofenitra fandraisana ataon'ny firenena tsirairay dia afahana mamantatra ny dinika izay nisy sy hisy aorian'ny fihaonana. Ny fahafantarana ny tantara nisy teo amin'ny fifandraisana ara-diplômatika nisy hatramin'izay dia manampy amin'ny fomba fanapahan-kevitra ; irina mba hisongadina ny fanavaozana ny lafiny ara-toekarena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
51 taona izao no nitrangan'ny famonoana ka nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard, tandindon'ny finiavana hambabo hatrany ny firenena ho eo ambany vahohon'ny fahavalom-pirenena. Ny fahalalana ny tantara nisy dia ahafahana mamaritra ny ho avy sy mampandroso ny firenena. Toerana stratejika tsara i Madagasikara ho an'ny firenena vahiny, mila mitandrindra ny mpitondra, ka hanao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena amin'ny lafiny rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco