Fianakaviana : fiarovana, izay filàna fototra voalohany. Misy antony maro mahatonga ny fianakaviana ho toy ny fanagadrana, fihafiana, fijaliana ; isan'ireny ny tsy fisian'ny fifampiresahana. Ny fomba fiainana ao an-trano dia misy akony lehibe amin'ny fanabeazana sy amin'ny sain'ny ankizy na ny tanora. Mba tsy ho kisary ratsy manoloana ny zanaka dia aoka hosohana ny fifamaliana eo imason'izy ireny... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mihamafy ny andavanandrom-piainan'ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, ny fahasarotana indrindra anefa no tokony vao maika hanosika amin'ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana ary ny fifanohanana. Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin'ny fitiavana amin'ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin'ny fiainana. Ny fianakaviana dia fiangonana kely mariky ny fanantenana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka. Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny soatoavina Malagasy dia fomba amam-panao, fihetsika, toetra, fomba ary foto-pisainana izay mifehy sy mitarika ny fitondran-tenan’ny tsirairay. Ireo no maha-izy azy ny firenena sy mamolavola ny fifandraisana eo amin’ny olona ao amin’ny fiaraha-monina. Ankehitriny anefa dia hita very sy mihalefy ireo noho ny rivo-baovao misy ankehitriny, ny teknôlôjia, ary ny faharefoan’ny fanabeazana. Noho izany dia ilaina ny mamerina, mampahatsiahy izany mba hisian’ny fitondran-tena mendrika sy lavorary. Azo ampiharina io manoloana ny fihanaky ny tsimok'aretina VIH/SIDA... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco