Ny fanabeazana ny maha-olona manontolo no fototra hanorenana olona mendrika sy fiaraha-monina mandroso. Tsy ny fanomezana fahalalana fotsiny ihany no tanjona fa ny fananganana olona manana fo, saina ary fanahy vonona hanompo ny hafa ary hanorina ny ho avy. Raha te hanana Madagasikara mandroso isika dia tsy maintsy manabe olona feno : mahay, marina, tia tanindarazana, manaja ny hafa ary matahotra an’Andriamanitra. Aza avela ho very ny taranaka noho ny tsy firaharahiana ; ny fanabeazana ataontsika anio no endriky ny firenena ho hitantsika rahampitso....

Ny fidiran’ny mpianatra eto Madagasikara dia tsy resaka fitaovam-pianarana sy saram-pianarana ihany, fa mifandray amin’ny toe-karena sy ny fiainan’ny tokantrano manontolo. Noho izany, ilaina ny fandaminana, ny fifampiresahana ary ny fametrahana laharam-pahamehana, mba hisorohana olona mety hiseho amin’ny fianaran’ny ankizy. Andraikitra iombonan’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny mpampianatra ary ny fiarahamonina ny fanohanana ny mpianatra. Ary amin’ny alalan’ny firaisankina sy fifanohanana no ahafahana miatrika ireo fanamby mba hisian’ny fahambiazana lavorary...

Lasa ampahany lehibe amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny interneto sy ny tambajotra-tserasera. Sehatra iray manampy amin’ny fianarana, fifandraisana, fitadiavana vaovao, fanehoana talenta ary fananganana fahafahana vaovao izy ireo. Kanefa, miaraka amin’izany dia misy ihany koa ireo loza mety hitranga toy ny vaovao diso, fanorisorenana an-tserasera, fisolokiana, famitahana ary fampiasana tafahoatra. Ny interneto dia fitaovana mahery vaika; miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy no hahatonga azy ho fanampiana na ho fandrika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona araka ny fomba malagasy, nanomboka ny taona 2021 no nananganan'ny Papa François ny andro maneran-tany ho an'iretsy voatanisa etsy aloha. Tamin'ny alahady 26 jolay 2026 teo no fankalalazana natao teo anivon'ny fiangonana, izay fankalazana ny fetin'i Masindahy Joachim sy Masimbavy Anne, ireo ray aman-drenin'i Masina Maria, izany hoe raibe sy renibe an'i Jesoa. Ny soatoavina Malagasy dia manome lanja sy haja ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...