Misedra fanamby maro ny tanora amin'izao fotoana izao. Mba ho afaka hiatrika izany dia ilaina ny fahaizana miaina ao anaty tontolo manaja ny soatoavina mifototra amin'ny fanabeazana lalim-paka, miaina ny maha-kristianina. Manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana fony fahazaza ao anatin'izany fa eo ihany koa ny fanabeazana eny an-tsekoly sy ny fiaraha-monina. Mba ho tanora hafa kely tsy hanara-drenirano fa handanjalanja ny zavatra atao... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Ny fiarahan-dia dia midika fiaraha-mientana, fiaraha-misalahy amin'ny fanatontosana ireo fitsaboana sahaza ; manomboka any amin'ny fisorohona, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso aorian'ny fitsaboana. Miseho amin'ny endrika maro ny fiaraha-mientana ary tokony hamafisina eo amin'ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ka tokony ho hafatra iray no ampitaina manoloana ny trangan'aretina iray. Ampanjakaina ny fanajana ny maha-olona ary alavirina ny kolikoly... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fahasalamana ary ny ivon-toerana Arrupe.

Mihamafy ny andavanandrom-piainan’ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany. Toa lasa laharam-pahamehana ny fitadiavana sy fivelomana isan’andro ka mihamanjavona ny kalitaom-pifandraisana noho ny havizanana sy ny raritsaina aterak’izany. Ny fiarahana miatrika izany anefa dia mamelona fanantenana lehibe ho an’ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Ny fahasarotana indrindra no tokony vao maika hanosika hiray hina sy hifankatia ary hifanohana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.

Ny fandaharana E.V.A dia mampiombona, mandamina fiainana hitarika mankany amin'ny tontolo marina, mahitsy mba hitondra afon'ny fanantenana, na dia eo aza ireo zava-tsarotra sy manahirana rehetra. Efa tamin'ny taona 1300 no nankalazana ny taon-jôbily nandraisana ny famindra-pon'Andriamanitra, ary amin'ny taona 2025 dia natao hoe taonan'ny finoana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...