Iza aho? Tanora mitady ny maha-izy azy, miresaka safidy, soatoavina ary ny anjara toeran'ny finoana amin'ny fiainana. Fanontaniana fototry ny fananganana ny maha-olona. Miresaka ihany koa ny mety ho sakana tsy afahana mahafantatra ny maha-izy ny tena. Fotoana iray, hifampizarana andram-piainana mahafinaritra kely. Tsara ny hanana olona azo tahafina amin'ny fiainana, eny, hanao tantsoroka amin'ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nisy ny fampidirana karazam-baksiny vaovao tsy mbola nahazatra ny olona teto Madagasikara tato anatin'ny taona vitsivitsy izay : fiarovana ny Covid-19, ny M-Pox ary ny fiarovana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ; tsy mandà ireny ny EKAR satria zo sy safidin'ny olona tsirairay ny hanao na tsia ireny. Mandrisika ny tompon'andraikitra mba hampitombo ny fampahalalana ny mikasika ireny vaksiny ireny, mba hampisava ny ahiahin'ny vahoaka. Ny filàna fanazavana dia ny tompon'andraikitra ara-pitsaboana sy fahasalamana rehetra no mamaha azy, fa ny safidy dia an'ny tsirairay.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny sakana dia zavatra na toe-javatra manelingelina ary tsy mamela anao handroso hahatratra tanjona iray. Ny tontolo vaovao dia ilay tontolo iainantsika amin'izao fotoana izao, izay ahitana toe-javatra na toe-piainana miova ka mitaky antsika hifanaraka aminy. Ny firaisankina dia fiaraha-mientana sy fifanohanana eo amin'ny olona maromaro. Manoloana ny sakana dia ilay ny firaisankina : mifampiresaka sy mifampihaino, mifanampy amin'ny zavatra atao, mifampizara andraikitra anaty fifanajàna sy fifandeferana ary fifankatiavana ; ireto farany dia fanohitra hatsara ny ho avy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny fitoniana dia singa fototra amin'ny fomba fanapahan-kevitra. Amin'n alalan'ny famakafakàna, ny fanadihadiana, ny fikarohana sy fampiasàna vaovao azo antoka dia mahatsara ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra, indrindra anaty fitoniana. Ny fanapahan-kevitra voalanjalanja dia azoana antoka hanatsarana ny fiainana ary hanorenana ho avy maharitra sy mirindra. Ny safidy voalanjalanja dia afahana miatrika ny fanamby misy atrehin'ny tanora... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco