Volana jona : volan'ny ankizy. 12 jona : Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ho antsika eto Madagasikara dia ankizy efatra ao anatin'ny folo no efa niditra tamin'ny sehatry ny asa mialoha ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'ny fitaizana ny zanany, indrindra eo amin'ny fampifandanjana ny fisitrahan'ny ankizy ny zony sy ny fanabeazana tsy maintsy omena azy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...