• Nandray fitenenana nandritra ny fihaonana an-tampony, eo amin'i Rosia sy Afrika androany, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara… • Tafajoro ny “Vondrona Ampefiloha”. Namoaka soson-kevitra hitondrana ny tetzamita sy tena hanorenana ifotony an'i Madagasikara izy ireo androany… • Nihatsara ny fitantanana ny fidiram-bolan'ireo Kaominina nampihatra ny fiaraha-miasa eo amin'ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana malagasy sy frantsay…
♦ Mitohy androany ny fihaonana an-tampon'i Afrika sy Rosia andiany fahatelo. Filoham-panjakana 20 ary solontena avy amin'ny firenena 48 no namaly ny fanasana. Noraisin'ny Filoha Rosianina Vladmir Poutine nihaona taminy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika mivady... ♦ Efa azo andritana ny rano miakatra amin'ny toerana nanaovana ny asa ireo fantsona lehibe ambany arabe amin'ny alalan'ny tetik'asa PIAA-II... ♦ Efa manao ezaka hanandratana ny lalam-pihariana ronono miaraka amin'ny mpiara-miombon'antoka samihafa ary ny minisiteran'ny fiompiana ny MDB, hoy ny filohan'ny filan-kevi-pitantanana Rabemananjara Safidy...
♦ Azo tsaraina eo anatrehan'ny Fitsaràna Avo sy ny Tendrom-Pitsaràna misahana ny Kolokoly ny filoha teo aloha Andry Rajoelina araka ny didy navoakan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana omaly, toy izany koa Andriamatoa Ntsay Christian... ♦ Volamena 275 grama saika haondrana antsokosoko any Dubai no saron'ny fadintseranana tetsy amin'ny seranam-piaramanidina omaly. Mpandeha miisa 2 no nikasa hanao izany... ♦ Nampahafantarina sy natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny amin'ny Carlton Anosy ny PACFC andiany fahatelo, haharitra hatramin'ny taona 2030 ny tetik'asa...
• Nifantoka tamin'ny fampiroboroboana ny asa maha olona, ny fanabeazana sy ny fikarohana siantifika, ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Fanavoazana ny Repoblika, Colonel Randrianirina Michaël sy ny delegasiona Rosiana tany Moscou… • Vola manodidina ny 229 tapitrisa Dolara avy amin'ny BAD, Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana, no enti-manana ny tetikasa PAC FC andiany fahatelo… • Tafakatra amin'ny ampahefa-dalana i Madagasikara amin'ilay fiadiana ny amboara eran-tany eo amin'ny baolina kitra, ho an'ny sokajy latsaky ny 15 taona zazalahy, tanterahina any Azerbaidjan…
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco