♦ Nanamafy androany Andriamatoa Elia Rabevahiny fa tsy miova ny birao nasiônalin'ny KFIM ary mpisandoka izay mitonona ho filoha nasiônaly vaovao...  ♦ Nanatanteraka hetsika teny Ampefiloha, androany, ireo tanora 590 voaray ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana taknika izay tsy mbola miasa na dia efa nahavita fifanarahana arak'asa aza...  ♦ Efa potika tanteraka ka tena mila vahaolana maika i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena Pr Freddie Mahazoasy... ♦ Tsy nahafaly ny praiminisitra israeliana Beniamine Netanyahy ny lahateny nataon'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin'ny fivoriamben'ny N.U... 

♦ Nitondra ny teny fisaorana ho an'ireo rehetra nanampy sy nanohana ny Radio Don Bosco tamin'ny fanatanterahana ilay tantara an-tsehatra "Ratsy fototra" natao teny amin'ny CC ESCA Antanimena ny sabotsy 19 septambra teo ny talen'ny RDB...  ♦ Andray fitenenana voalohany mandritry ilay fivoriana avo lenta faha-81 ny firenena mikambana any New York rahampitso alakamisy 24 septambra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Voamarina fa tazomoka, tazo mahery ary kitrotro ilay aretina niparitaka ary nahafaty olona 37 tany amin'ny Distrika Ifanadiana ; ho fehezina anatin'ny taba-bolana ny aretina...

♦ Nahemotra amin'ny 27 ôktobra indray ny fihainoan'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly Antananarivo ireo voasaringotra tamin'ilay raharaha Boeing 777 izay tokony notanterahina omaly talata 22 septambra... ♦ Andro tsy hiasana fa handraisan-karama manerana ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara ny zoma 25 septambra fanamarihana ny faha heritaona nisian'ny hetsi-bahoaka tamin'ny taona 2025... ♦ Tokony efa ho afaka handray ny lalao hiaonan'i Barea sy Nigéria amin'ny fifanitsanan'ny CAN 2027 amin'ny volana MARSA ny kianjan'i Mahamasina hoy ny Filohan'ny FMF...

♦ Tsy nomen'ny Fitsaràna Misahana ny  Ady amin'ny Kolikoly fahafahana vonjy maika ny Ministry ny Fitanterana teo aloha Ramonjavelo Valérie. Mihemotra ny 27 ôktobra izao indray ny fitsaràna momba ilay raharaha Boeing 777... ♦ Tsy tokony hijanona ho mpijery fotsiny amin'ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ny olom-pirenena. Izay no nambaran'ny Vovonana Tantana androany... ♦ Mila mandray andraikitra manoloana ny fahasimban'ny tontolo iainana ny Malagasy tanora hoy ny ao amin'ny Vovonana Aika. Tandindonin-doza mantsy ny firenentsika ankehitriny hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...