Ny tantara dia fototra sy zava-dehibe tsara ho fantatra ary isan'ny maha olom-pirenena. Ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara, ny 26 jona 1960 vao nambara ny fiveranan'ny fahaleovantena. Rariny raha ankalazaina ho fetim-pirenena ny 14 oktobra fa ny 26 jona kosa dia fetin'ny Foloalindahy. Ny tantara efa nisy no manaporo fa azo atao ny maka ireo orinasa sy seha-pamokarana nofehezin'ny vahiny ka notantanan'ny Malagasy maro ny nahazoana vokatra tsara; anatin'ny fanavaozana izao, hirika afahana mampandroso ny fahalalana ny tantara... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Misy singa mampihavaka firenena iray, misy hita maso, ary misy koa ny ren'ny sofina. Ny fototra miisa telo maha firenena ny tany iray dia ny tany, ny teny ary ny tantarany ; famantara hita maso ny sainam-pirenena ary ny ren'ny sofina kosa dia ny hiram-pirenena. Ny fampiasana ny tenim-pirenena no isany hanehoana ny fiandrianam-pirenena amin'ny fotoan-dehibe toy ny fivoriana iraisam-pirenena maro samihafa sy fifanankalozana ara-diplômatika. Ny fahamarinana sy ny fandalàna izany no tena maha-olombanona sy maha olon'ny finoana, ary mampivoatra, ombana firaisan-kina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Ny manana faharanitan-tsaina dia olona mety ho tompon-toerana fotsiny ; ny olona manana rafi-tsaina no tompon'andraikitra, ireo anefa dia afaka mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana olona ho tompon'andraikitra izay mitereka vokatra tsara izay tena fahavanonana ; fa ny fitaizana kosa dia fampitàna fahalalana ho tonga fahaizana mba hatonga azy hahazo asa na toerana. Eo amin'ny 15 taona eo no fametrahana rafi-tsaina ao amin'ny olona iray. 11 hatramin'ny faha-15 taona no misokatra ny maha izay ny olona iray, koa eo no tena ilàna fifankahazoana sy fifampiresahana, ary hamantarana ny safidy sy talenta ao amin'ny zanaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

Toa ny olona sembana ary manana olana eo amin'ny fiainany izay tsy miaina ny fitiavana izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fitiavana dia azo adika ho hery anaty. Ny fampitahorana sy fanapepoana no mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fivelarana ; mba ho tena fanabeazana mahomby dia ilay ny teny famporisihana, lavitry ny fampitahana amin'ny hafa. Manampy amin'ny fanehoana fitiavana ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra ary ny teny famporisihana, indrindra ny fanokanana fotoana ho an'ny ankohonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...