Ny "Mba ho vanona" dia lasa fifampiarahabana eny amin'ny fiaraha-monina. Fanao sady fiteny ihany koa ny hoe "Mahavanòna" tena firarian-tsoa sady maneho ny maha Malagasy sy ny fahavanonana. Misy lanjany sy hasiny ny fifampidinihana izay tsy maintsy arahina asa fa tsy fampanantenana poaka aty. Ilaina ny fifampiresahana, fifampidinihana fa ireo dia fototry ny filaminana mitondra amin'ny fifampitosikasana, hafahana manorina fifankatiavana ary tonga hatrany amin'ny fifanajna ; miainga amin'ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana izany... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.