Ny fanorenana fiaraha-monina marina sy milamina dia mitaky fanajana ny zon'ny tsirairay, fifampihainoana ary fahaizana mandray ny tsy fitovian-kevitra. Noho izany, ny olom-pirenena tompon'andraikitra dia mahafantatra ny zony sy ny adidiny, manaja ny lalàna ary mandray anjara amin'ny fiainam-piaraha-monina. Na dia tsotra aza ny fihetsika atao isan'andro, dia afaka mitondra fiovana lehibe sy mampandroso ny tombontsoa iombonana. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...
• Nandray fitenenana nandritra ny fihaonana an-tampony, eo amin'i Rosia sy Afrika androany, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara… • Tafajoro ny “Vondrona Ampefiloha”. Namoaka soson-kevitra hitondrana ny tetzamita sy tena hanorenana ifotony an'i Madagasikara izy ireo androany… • Nihatsara ny fitantanana ny fidiram-bolan'ireo Kaominina nampihatra ny fiaraha-miasa eo amin'ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana malagasy sy frantsay…
Tanora sy olon-dehibe : 20 hatramin'ny 50 taona, olona efa nandalo ny fialan-tsakana, ary amin'ny dingan'ny fanomanana ny fahanterana. Ny fikoloina ny aina dia ilàna fanomanana hatrany, izay tsy mifantoka amin'ny filan'ny nofo fotsiny. Ny sakafo dia isan'ny fototra hikoloina ny aina, noho izany dia misy fotoanany ny fisakafoana, mila fialan-tsasatra ny vavony ; in-telo isan'andro no tsara hisakafoana ka ny maraina no tena atao feno sy tsara... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Raharaha Boeing 777, napetraka hodinihin'ny Fitsarana ny fangatahan'ny Fampanoavana momba ny hanokafana famotorana fanampiny momba ity raharaha ity. Nolavin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy… • Mangataka ny hijeren'ny fitondram-panjakana sy ireo Solombavam-bahoaka ny olan'izy ireo, ny tantsaha mpamboly “orge” ao amin'ny Kaominina Ambano, Distrikan'Antsirabe Faharoa… • Nanomboka androany ny Herinandro ho an'ny Havatsa UPEM. Nisongadina tamin'ny fanomezana Mari-boninahitry ny Kanto sy ny Asa Soratra ho an'ireo mpikambana…
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco