Tsy mbola lefy laza amin’ny maha sehatra goavana ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa, ireo teknisiana sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny toekarena eny ambanivohitra na ny FIER MADA. Mbola mahasarika olona maro koa na eo aza ny Tsenabe mifaninana aminy taty aoriana...
Araka ny Testamenta Taloha dia hita taratra ao ny tantaram-pitiavana, ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona ; porofom-pitiavan'Andriamanitra ny fampanantenany ny fahatongavan'ny Zanany mba hamonjy ny olombelona ao anatin'ny fahotana. Masina Maria virijiny no lalana nahatanteraka ny teny tonga ho nofo. Nisy foana ny fivadihan'ny vahoaka amin'Andriamanitra anefa misy vondron'olona iray hatrany mifikitra amin'Andriamanitra ary mampitohy ny lalam-pamonjena... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nisehoana horohorontany teto Antananarivo sy ny manodidina androany tolakandro. Heverina ho tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe no nisy ny foibeny ary nahatratra 4,5 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny... • Tsy nisy olona hafa intsony hatramin'izao, nampahafantarina fa hatao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, tao aorian'ny nisamborana ireo roalahy ahitana teratany Indiana... • Misy ary ampy ny tahirim-bakisiny BCG eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra fanazavana momba ny famatsiana io karazam-bakisiny io eto amintsika izy androany...
• Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny fanabeazana ny fisian'ny kolikoly eo amin'io sehatra ireo io, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Tsy sahy mitaraina na mitoroka anefa ny 80 %-n'ny olona niharany, nanaovana fanadihadiana... • Nisy akony tamin'ny fanjifan'ny Malagasy fiara ny valan'aretina Covid teto amintsika. Nidina hatrany amin'ny 30 % izany, hoy ny vondron'ny mpandraharaha misehatra amin'ny fanafarana fiara efa niasa avy any ivelany na ny GIVEOM... • Hatsangana ho dina ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankilimaliniky, Distrikan'i Toliara Faharoa, ny andrimasom-pokonolona Voromahery. Nahatsapa fitoniana ny mponina hatramin'ny nananganana sy nisian'izy io, hoy ireo olom-boafidy sy olobe ao an-tanana...
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco