Noho ny adidy sy andraikitra lehibe eo anoloan'ny reny dia maro ny tantsoroka ho an'ireo reny sy ireo ho reny, avy amin'ireo manana traikefa sy ireo mpahay toetr'olona. Ny reny dia manana filàna toa ny olona rehetra, manana zo amin'ny fialamboly. Manana adidy hizara izay handram-piainana efa niainany ny reny ho an'ny zanaka vavy sy ny tanora. ... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nanda ny filazana azy ireo ho nametra-pialana ny mpanolotsaina avo ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Vonona hiala amin'ny toerany nefa izy ireo raha izay no ilaina... • Mitaky ny hanaovana ny fikaonan-dohan'ny olom-pirenena eto amintsika. Tokony hiainga any amin'ny Kaominina izany, hoy ny KMF-CNOE... • Ahato aloha ny fandravana trano eny Anosibe Andrefana Voalohany, hoy ny Colonel Randrianirina Michaël, noho ny maha ankatoky ny fety ny nanaovana izany...
Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; lahabolana azo heverina fa mbola ampiasain'ny Foko Sakalava. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina. Ny lahabolana "RARY" no nampiasaina sy natao teto an'ivon-tany talohan'ny nidiran'ny ANTSA. Azo sokajiana ho lahabolana masina ny ANTSA, porofon'izany ireo sokajin'olona niangaly azy teo amin'ny fitondrana faha-mpanjaka dia ireo Tsiarondahy sy Tsiarombavy, tsy handairana vorika sy mosavy ; izy rahateo natao hanasinana...
Ny fanokafana ny fankalazana dia fandraisana ireo rehetra tonga hamonjy Lamesa, no sady hisarihana ny fo amam-panahin'ny mpino hifantoka ao anatin'ny fankalazana, azo adika ho famondronana izany. Ao anatin'ny hira fanombohana no hidiran'ny mpisorona miaraka amin'ireo mpandraharaha rehetra eo amin'ny sorona, mandritra izany koa ny fiarahabana ary ny fanomanana ho amin'ny fifonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco