Maty tamin'ny loza tsy voafaritra ny ray aman-drenin'i Bary ; azo kilasiana ho horohoron-tany no niseho izay nintelina an'ireo havany. 120 no isan'ny olona mponina tao Tsiafajavona, ny 30isa no tsy hita vokatry ny loza, olona miisa 10 sisa velona, ireo 80 hafa kosa tototry ny tany. Nalevina tamin'ny toerana iray ireo fokonolona maty, ary zary nisy hazo-malahelo naniry teo akaiky an'ilay toerana ; mandeha raha ilay hazo raha vao voatsongo. Narovana io toerana io, nasiana soratra hoe : "tany fady".

Mifankatia i Nary sy Tiana, kanefa manana ny vady aman-janany iry voalohany. Ramatoa Hary dia mpiasa amin'ny orinasa madinika ary mpiasam-panjakana i Nary vadiny. Nahamahana an'i Hary ny fihetsiky ny vadiny saingy mbola tsy naka fanapaha-kevitra hafa izy. Noresahan'i Hary tamin'ny zanany lahy atao hoe Johary, ny fanahiany sy ny olana amin'ny fitantanana ny tokantrano. Tamin'ny alalan'ny vazivazy no nentin'ny reniny nananarana an'i Johary, indrindra ny fifehezan-tena manoloana ny fotoanan'ny fialana sakana.

Mpiasa an-trano i Liza ary fianakaviana efa-mianaka no mpampiasa azy. Nandeha nitsangatsanga mba hialavoly izy efa-mianaka ; noho ny tonga tamin'ny toerana nokasaina haleha dia nanapa-kevitra ny hizara roa hitsidika toerana samihafa. Niaradia ny rainy sy i Ravo,  fa nisafidy lalana hafa i Rova sy ny reniny ; teny an-dalana hizaha rian-drano ireto farany no nisy tranga hafahafa satria nanjavona i Rova, izay tsy nahitàna fanazavana. 

Mpampianatra mipetraka irery i Fenitra. Hariva izy vao nanidy trano indray andro, sendra  an'i Tojo izay nisy namono, ary namonjy an'io lehilahy io izy. Notsaboin'i  ny ferin'i Tojo. Mitebiteby Ingahy Ratrema sy Ramatoa Ramary ray aman-drenin'i Tojo, na efa nilaza tamin'ny mpitandro filaminana aza izy ireo. Rehefa nahatsiaro tena i Tojo dia gaga nahita ny manodidina azy izay trano hafa mihitsy, fonenan'i Fenitra. Tsy navelan'i Fenitra hivoaboaka i Tojo sao ho hitan'ireo jiolahy namono azy.

[Miara-dalana] Zoma 26 mey 2023

♦ Ankalazaina ny 27 mey 2023, ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie, Jean Marie Vianney, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, iombonan'ny Arsidiôsezy Atsinanana... ♦ Nanatanteraka fiofanana tao anatin'ny telo andro tao Befotaka, ireo Kômity mpanatanteraka, Diôsezin'Ambanja MDMK-CVX... ♦ Nitombo iray indray ny isan'ny fiangonana iandraiketan'ny fikambanan'ny Pretra Karma any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...