Ity plateforme "Mpianatra" ity dia fanalefahana ny asa miverimberina any an-tsekoly sy manome vahaolana, ary manatsara ny fomba fiasa any an-tsekoly fiiara-miasa amin'ny orinasa "studio Mg.Plateforme. Antsoina hoe "Mpianatra" izy ity, plateforme numérique, natao hanampy ny sekoly sy ireo mpisehatra amin'ny fampianarana misy eto Madagasikara no tanjon amin'izany... Fandaharana "Zava-misy" atolotr'i Rasamimanana Marc.

Ny "gaotra" dia fiakaran'ny "acide urique" vokatry ny sakafo matsiro fa tsy sakafo matavy matetika, izay afangaron'ny olona anefa samy hafa. Matetika dia olona efa nahazo taona, tia hena mena no mararin'ny gaotra. Ohatra : hen'omby... Fandaharana "Zava-misy" iarahana Docteur RAMANANDRAIBE, fandaharana atolotr'i Rasamimanana Marc.

Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...