Ilaina ny fanisana biôlôjika ho an'ny ala vao fantarina na tiana ho tantanina hamantarana ny toetran'ilay ala, tsy maintsy misy solontena avy amin'ny fanjakana miatrika eo, misy koa fanisana hanaovana fikarohana biby vaovao mbola tsy fantatra. Tany amin'ny taona 1905 no nisy fanisana biôlôjika voalohany izay teto Madagasikara. Inona no maha zava-dehibe ny fanisana biolojika? Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Ny angovo mifangaro dia fifangaroana loharanon'angovo roa na maromaro. Mety io rano, masoandro na rivotra na solika... Ny angovo avy amin'ny kitay na hazo no be mpampiasa indrindra, avy eo ny angovo avy amin'ny solika raha ny eto Madagasikara. Mbola latsaky 1% ny Malagasy no mampiasa angovo azo havaozina. Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Zava-misy : mampiavaka an'i Madagasikara ny oratsimba (langouste) anatin'ny vanim-potoana fanjonoana azy ity ny faritra maro manerana ny nosy. Inona no tombony azon'ny mponina amin'ny faritra misy azy?. Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Ny soja sy ny vokatra azo avy aminy dia mahasolo ny hena sy ny karazan-tsakafo vita amin'ny lafarinina, ary tsy voatery hihinan-kena izay vao hihinana soja. Ankoatra ny soja dia maro ireo karazan-tsakafo azo hasolo ny hena. Azo fantarina ireo singa mahasoa sy hery azo tovozina amin'ireo sakafo ireo... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...