Alahady 18 oktobra 2026 - Alahady faha-29, mandavantaona "A". Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Fanontaniana mipetraka eto, anatin'ny vaky teny Masina, dia manontany hoe ahoana no tokony hiainan'ny amin'ny fiainana andavanandro sy manoloana ny Fanjakàna. Tsy manary ny vahoakany Andriamanitra ; Izy no tompon'ny fanapahan-kevitra sy mamaritra ny tantaran'ny olombelona, azy ny fahefana feno...
Alahady 27 septambra 2026. Alahady faha-26 mandavantaona — A — Ny toky fitaka, fa ny atao no hita. Aleloia. Aleloia. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Aleloia. Mila asa manamarina azy ny teny tsara nolazana na ny teny fampanantenaina. Afaka miala amin'ny ratsy ny olona ary afaka maneho "ENY" amin'ny fihetsika sy ny fiovana anaty. ilaintsika ny lamesa satria mandritra io fotoana io no hihainoantsika an'Andriamanitra sy handraisana hery avy aminy...
Alahady 13 septambra 2026. Alahady faha-24 mandavantaona — A — Izay mamela no havela. Aleloia. Aleloia. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.Aleloia. Tsy azo atao kajikajy ny famelan-keloka. Tsy fetra ho amin'ny famelan-keloka no fampianarana nomen'i Jesoa, amin'ny hoe "Im-pitopolo fito" fa antso ho amin'ny famelan-keloka mandrakariva. Ny mpanara-dia an'i Kristy dia tsy tokony hanisa hoe "impiry no namela heloka" fa tokony hatsiaro kosa hoe "impiry izy no navelan'Andriamanitra heloka"...
Alahady 06 septambra 2026. Alahady faha-23 mandavantaona — A — Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava : Aleloia. Aleloia. Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy. Aleloia. Irin'i Kristy isika ho lavorary toa ny Ray any an-danitra, anefa samy manana ny kilemany ny olombelona koa izay no hifanentanana mba tsy hifampisorona manoloana ny fahadisoana ary tokony hatao amim-pitiavana. Toetra tsy mety : ny tsy firaharahiana ny hafa, ny fitsarana be fahatany sy fanapariahana ny mety ho fadisoan'ilay namana. Ny fifampiresahana no tena tsara ary tohizana fitiavana...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco