Alahady 19 jolay 2026 - Alahady faha-16 mandavantaona — A — Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Nahoana Andriamanitra no mamela ny ratsy hisy, raha tena mahery tokoa Izy nahoana mbola misy ny tsy rariny, nahoana no mbola misy ny zava-dratsy mampahory? Andriamanitra anefa dia tsy maika hanasazy fa maika hamonjy, ary mitsara amin'ny halemam-panahy izy. Ny olona tena mahery dia izay afaka mamela heloka ; ny famindram-po no tena porofo maha Andriamanitra an'Andriamanitra...
Alahady 12 jolay 2026. Alahady faha-15 mandavantaona — A — Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin'ny fiainantsika, ny Teniny. Aleloia. Aleloia. Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay. Aleloia. Tsy very maina ny tenin'Andriamanitra, efa nokendren'Andriamanitra hisy vokany amintsika ny Teniny, mety tsy ho hitantsika avy hatrany ny vokany sy ny fivoarana haterany, anefa miasa mangina Izy, efa mamelona sy manavao ny olona sy ny tantaran'olombelona Izy. Ny Tenin'Andriamanitra dia teny velona sy mahery, porofo ny nahariana an'izao rehetra izao...
Alahady 05 jolay 2026. Alahady faha-14 mandavantaona — A — I Jesoa : Be fitiavana sy malemy fanahy ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny harerahana dia mpahazo ny olombelona : ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, izay vokatry ny ahiahy isan'andro, ireo olana maro samihafa. Maro ireo mitsiky ety ivelany fa manana olana lalina anaty, anefa mbola eo Jesoa, efa nilaza fa hanamaivana ireo izay mahavesatr'entana. Tsy mamaly herisetra Andriamanitra fa ny manala ny fototry ny herisetra no ataony. Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po i Jesoa...
Alahady 21 jona 2026 - Alahady faha-12 mandavantaona — A — : Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Teny miverimberina anatin'ny Evanjely ny hoe "Aza matahotra" fantatr'i Jesoa fa io no sakana tsy afahantsika manaraka ny diany (tahotra ho very asa, tsy fahombiazana, aretina, very fananana, haneho sy hanoehoan'olona hevitra, fanenjehana, fiainana sarotra, tahotra hijoro amin'ny marina) Kanefa ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany....
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco