Alahady faha-32 mandavantaona — A — : Ity tany ity fandalovam-bahiny. Aleloia. Aleioia. Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Aleloia. Ny fahendrena dia sarobidy indrindra ary tsy manan-tsahala eto amin'izao tontolo izao. Mitsena ireo mitady azy ny Fahendrana. Ny Fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady. Ilaina ampiasaina araka ny sitrapon'Andriamanitra ny fahefana. Ho amin'ny fifaliana no iantsoan'Andriamanitra antsika ; ny fiambenana dia midika ho fiainana vonona handray ny Tompo...