Alahady 21 desambra 2025. Alahady fahefatra — Taona A "fiavian’ny Tompo" : Hiara-monina amintsika Andriamanitra ; Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia. Ireo fihetsika nataon'i Masindahy Joseph dia maneho fa olo-marina izy satria tsy mankasitraka ny fahafatesan'ny hafa, nanaraka ny feon'Andriamanitra ary mihaino sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa miala amin'ny fahotana isika dia afaka manavaka ny feon'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy. Ny zanak'Andriamanitra tonga nofo dia ho an'ny olombelona rehetra ary honina eo amintsika...
Alahady 14 desambra 2025 : Alahady fahatelo — Taona A : fiavian’ny Tompo - "ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO". Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Taratry ny fiainan'ny mpino maro ny niainan'i Joany Batista, maro no mihidy amin'ny tenany sy ny zava-boahary manodidina azy, toy ny olona ao an-trano maizina. Entanina isika kristianina mba ho fitaratra hahamora ny hidiran'ny hafa ao amin'ny Eglizy, ho fitaovana hitondra ny hafa ho ao amin'i Jesoa Kristy. Faherezana, fahatanjahana, faharetana, fialana amin'ny tahotra sy ny tebitebe no toetra tsara hananan'ny mpino manoloana ny fiainana feno ahiahy izao...
Alahady 23 novambra 2025 : Alahady faha-34 mandavantaona — D — Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. I Kristy Mpanjaka hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana anio ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana ary hisantatra taona vaovao manomboka amin'ny alahady 30 novambra 2025, alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo. Ny fanjakan'i Jesoa dia miavaka satria izy no Mpanjakan'ny aina, Mpanjakan'i fahamarinana, Mpanjakan'ny fiadanana sy ny famindram-po, ary Mpanjakan'ny fitiavana...
Alahady faha-33 mandavantaona — D — Ho avy ny farandro ary hotsarain’Andriamanitra isika - Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo. Mbola hifarana ny tantaran’izao tontolo izao, indray andro any, hanjakan’i Kristy mandrakizay amin’ny olona rehetra. Madiva hifarana ny taona litorjika izay mampitodika antsika amin'ny farandro. Andriamanitra dia tsy mandao amin'ny fotoan-tsarotra, ny faharetana amin'ny finoana no fanalahidin'ny famonjena, tsy amin'ny hery fa amin'ny fahatokiana an'Andriamanitra mitohy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco