Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...

Alahady faha-13 mandavantaona - B : Ny hahavelona antsika no irin'Andriamanitra ; Aleloia, Aleloia, Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Aleloia. Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona. Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra no ho fahambonianareo koa amin’ny fahasoavam-piantrana. I Jesoa Kristy no Tompon’ny aina, na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy, koa mangataha aminy mba hovelominy lalandava amin’ny Ainy isika...

Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra! Ho an'ny olomarina dia tsy hakasika azy ireny akory ny fahafatesana, ho an'ny tsara dia tsy hakasika azy ny ratsy. Ny fisokafana amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahasoavany no mampandresy ny olona sy mampiadana antsika. Azo oharina amin'ilay sambo kely ny fiainantsika ka ny tafio-drivotra no endrika hisehoan'ireo olana maro samihafa, ka Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina ihany no afaka mampitony izany... Mila matoky azy Andriamanitra isika, ary mitoky amim-pinoana...

Ny voa mitsimoka sy mitombo ho Azy ; Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao. Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy. Ny Fanjakan'ny lanitra dia tsy fanjakan'ny mpanefoefo, na an'ny matanjaka fa fanetretena. Ny ahitana ny Fanjakan'Andriamanitra dia ao anatin'ny olona tsirairay. Miezaha mamolatena sy manova toetra fa izany no fanomanana ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny hoe mamolatena dia ireo vonona manao sesitany ny vatany, izany hoe sahy manambara sy miaina ny Fanjakàn'Andriamanitra, miady amin'ny fanangolen'ny fanahy na ireo mamono ny aina...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...