Alahady fahaefatra amin'ny karemy : tia antsika mpanota ny Ray ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Ny farisianina dia olona tsy nifankahazo tamin'i Kristy anefa niantso azy hoe Mpampianatra, ho an'ny olona misokatra amin'i Jesoa dia hambarany aminy ny tsiambaratelon'ny famonjena sy ny batemy, ny misterin'ny fijaliana sy ny fitsangana-ko velona ary ny fitsarana farany. I Jesoa no fanomezana lehibe indrindra avy amin'ny Ray, mba hitondra famonjena ho an'ny olombelona sy hananana ny fiainana mandrakizay.

alahady fahatelo amin'ny karemy : tsy mamela hipetra-poana ny fitiavana an'Andriamanitra ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an' izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy. Ny tena tenimpoly dia i Jesoa izay misy ny Ray ; tsy azo vidim-bola Andriamanitra, nitondra ny tenin'Andriamanitra Rainy i Jesoa, miantefa amintsika ihany koa izany ka arovy mba tsy ho fitadiavam-bola ny fiangonana fa mba fampandrosoana araka ny tokony ho izy sy araka ny finoana no hatao ao. Mila miezaka isika mba tena fanamasinan-tena sy vavaka no haleha any am-piangonana, mila meneho finoana isika rehetra amin'izay hatao sy ny fihetsika. Mila manao ezaka isika mba hanadio ny fo sy ny vatana ary ny fanahy.

Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.

Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany...  Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...