Maria, izay nisitraka tanteraka ny fiainany ho toy ny fanomezana, dia vehivavin'ny vanim-potoana rehetra, isan'izany ny antsika izao. Tsy mety fo lefy laza izy, tsy mba lazoin'ny fahanterana velively, tsy mety ho lany manja. Afaka tsara mihitsy isika, mihevitra fa eo anilantsika izy mandritra ny sedra mahazo antsika, amin'ny fangirifiriana sy ny tebiteby mianjady amintsika, satria efa niharan'izany koa izy. Izy ankehitriny no mpanampy sy mpanohana azo antoka ho antsika. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahavalo.

I Maria dia vehivavy mifikitra tanteraka amin'Andriamanitra, nefa tsy miefitra velively amin'ny olombelona, na amin'ny fiainana na amin'ny tantaran'izy ireo. Tsy miloa-peo izy satria mihaino sy mandray mandrakariva ny tenin'Andriamanitra sy ny an'ny olombelona. Ny fanginany no mamela azy hihaino sy handanjalanja mba ho afaka hanavaka, ao anatin'ireo sahoa marobe, ireo teny tena manan-danja marina. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahafito.

Ho an'i Maria, ny herim-po dia avy amin'ny maha reny mendrika azy. Reny tsy mahay afa-tsy ny miahy ireo zanany vavy sy lahy. Tsy misy mahasakana azy amin'izany: na olana toa inona, na fifanandrinana toa inona dia tsy misy mampikemo azy. Tsy mila fihetsika na fangatahana manokana izy mba ho eo, fa na dia amin'ny fomba mangina sy tsy tsapa mivantana aza, dia mijoro amin-kery eo am-pototry ny hazofiajalian'ireo zanany hatrany izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahenina.

Vehivavy mitia tanteraka amin'ny fitiavana marina i Maria. Tamim-pirehetam-po sy an-kafaliana, hainy ny nanokana ny fiainany mantolo ho an'Ilay Tena Fitiavana. Rehefa mibanjina azy isika dia haintsika ny manavaka ny tena fitiavana, amin'ireo ankoso-pitiavana sandoka, ary mazava amintsika io lafiny tena manan-daja lehibe amin'ny fiainantsika io, mitaha amin'ny azy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahefatra.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...