Ry kristianina havana, sabotsy ny andro, dia mahatsiaro manokana an’i Masina Maria isika mianakavy, ilay Reny nanatri-maso ny fijalian-janany, ary niara-namakivaky taminy ny lalana mankany Kalvery. Reny, niaina ny fanenjahana, fiafiana, ranomaso sy fanalàm-baraka, nanomboka tamin'ny nanaovany hoe « ENY » teo anatrehan’ny Anjely, nitazona ny teny nomeny ka nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mba ho famonjena antsika olombelona.

Ry kritianina havana, zoma ny andro, ary zoma voalohany amin’izao karemy izao ihany koa hibanjinantsika ny fijalian’i Jesoa amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Ny lalan’ny hazofijaliana izay hiarahantsika aminy mankany amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.

Ry kristianina havana, tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika amin’izao fotoana izao. Ny karemy raha faritana dia mipetraka amin’ny andry telo lehibe: ny vavaka,ny fifadian-kanina, ny asa fitiava-namana. Ny karemy ihany koa dia fotoana iray hanasana antsika hiaina lalindalina kokoa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, araka ny hafatry ny Papa François ho an’ny karemy tamin’ny taon-dasa.

Ry kristianina havana, rentsika matetika ary tsianjery ho an’ny ankizy mihitsy aza ny hoe "manomboka amin’ny alalan’ny alarobian’ny lavenona ny karemy", ary "maharitra 40 andro". Ny zavatra hita sy tsapa dia miezaka ny isam-piangonana sy ny fikambanana masina mikarakara sy manomana an’ity fotoan-dehibe ho an’ny fibebahana ity, mba hiainan’ny kritianina isan-tsokajiny sy amin’ny salan-taonany avy : na ny kely na ny lehibe an’izany Karemy izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...