Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa. Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Nitsangan-ko velona Aho ka tafaraka aminao indray, fa nomba Ahy ny tananao. Mahatalanjona loatra ny fahendrenao. Aleloia. Ny isa telo, voalaza hoe telo andro nijanonan'i Jesoa tao amin'ny fasana dia milaza hafenoana sy fahalavorariana. I Lazara dia efatra andro no nilevina tao am-pasana, isa efatra manambara ny lafivarolon'ny tany, manambara izao tontolo izao. Ny fitiavana no manana ny teny farany, porofo io fitiavana nasehon'i Jesoa io...

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...