Alahady 12 oktobra 2025 : Alahady faha-28 mandavantaona — D — Mahaiza mankasitraka an’Andriamanitra. Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Raha miaritra isika, dia hiara-manjaka amin’i Kristy. Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, hitan’ireo firenena ny fahamarinany. ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena. Isaky ny manolotra ny Eokaristia isika, natsiaro fa voavela heloka tamin'ny sakramentan'ny fampihavanana, ny fahatsiarovan-tena ho afaka dia tsy afa-misaraka amin'ny fahatsapana ny loharano niavian'ny fahasoavana, mendrika hisaorana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...