Alahady 15 novambra 2026 - Alahady faha-33, mandavantaona — A : Ahazoana hasambarana ny miasa amin-kerim-po. Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ianareo. Aoka isika hiomana hihaona amin'ny Tompo, ka hampiasa izay rehetra nomeny antsika hanaovana soa. Amin'ny heviny ara-panahy, ny talenta dia fanomezana sarobidy ankinin'ny Tompo amintsika ka asainy hampiasaina sy hampamokarina. Aza variana mampitaha ny tena amin'ny hafa, fa raha tsy manam-bola hanampiana olona ianao dia mety hanana fotoana hamangiana marary...

[Miara-dàlana] Zoma 13 novambra 2026

• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...