Araka izay voasoratra ao amin'ny Testamenta Taloha hoe : "Hanao fivoriana masina iranareo amin'ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin'ny andro fahafito. Tsy hiasa amin'ireo andro ireo " Eks.12,16. Raha jerana araka izay voasoratra dia fanontaniana tokony tsy hipetraka ny hoe "andro sabotsy sa alahady no mety hanaovana ny vavaka, satria samy andro fanaovana fivoriana masina. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Tojo tsy fahasalamana i Joany Bosco indray andro, notsaboinà mpamboly mahantra atao hoe Jean Chalosse izy rehefa nampiantranony. Ity lehilahy ity dia sendra olana taona vitsy talohan'izao, ary nisy pretra nanampy azy araka ny fitantarany ; gaga izy rehefa nilazan'i Joany Bosco fa izy ilay pretra tamin'iny tranga iny. Hafaliana no nilazana fa : ankehitriny dia voavalinao tamiko ny soa ary tanteraka ilay hoe ny soa atao levenam-bola...
♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala sy ny fametrahana azy ho Mpinadry ondrin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nanatanteraka ny Andron'ny fiainam-panahin'ny Finakaviambe Salezianina, ny Salezianina eto Madagasikara, omaly... ♦ Rehefa avy nanao batemy an'i Jesoa teo Jordany i Joany Batsista, avy hatrany dia nanatanteraka ny iraka ho azy, tsy nila dera ary tsy niandry valisoa. Nanentana ny pretra rehetra sy ny relijiozy ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hoentanin'io fanahin'ny fanompoan'i Joany Batista io...
Romanina i Marcel izay ankalazaina ny 16 janoary, ary voafidy ho papa tamin'ny 21 mey 308 izy handimby an'i Masindahy Marcellin, papa maty martiry roa volana talohan'io daty io. Ny Amperora Maxence no teo amin'ny fanjakana tamin'izay. Rehefa teo amin'ny Fiketraha masina i Marcel dia tsy nohadinoiny ny herim-po sy ny toe-panahy mendrika notahafiny tamin'ilay nodimbiasany.
♦ Efa nivoaka ankehitriny ny vavaka ho an'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3, izay hotanterahana eto Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Notontosaina omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Gustavo Bombin Espino, izay nitantana ny Diôsezin'i Mahajanga tao anatin'ny efa-taona... ♦ Notanterahana omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, izay notendren'ny Papa François, ho mpiandry ondrin'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Tohiny...Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2023 Radio Don Bosco