Misy teboka miisa telo tokony hananana raha te hanana ho avy tsara isika dia : ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Mba ho azo antoka ny atao hoe fanavaozana dia misy dingana telo farafaharatsiny tsy maintsy atao ho zava-dehibe dia : ny fanadiovana, ny fanarenana ary ny fanavaozana. Manoloana ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn'ny Malagasy fa tsy izay tsindry avy any ivelany na tombontsoa manokana ; hantenaintsika mba ho olom-boatendry filamatra sy manana fahamarinana no hanana andraikitra eto amin'ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tsy misaraka ny zo sy ny hasina ho an'ny vehivavy, tsy maintsy mifandroy amin'ny toetra amam-pihetsika anefa ireo. Ny zo dia filàna ara-boajanahary ho an'ny olona iray mba hampivelatra azy eo amin'ny fiainany. Ny zo dia mitaky toetra mendrika. Ny hasina dia fanajàna ataon'ny olona : ny toetra dia isan'ny fototra afahana mitaky hasina (fomba fiteny, fiankanjo, fitondran-tena...). Mila manome haja ny tenany ny vehivavy mba hanomezan'ny olona hasina azy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny foko "Vezo" ara-tantara dia misy fiaviana avy any ivelany sy eto an-toerana : Indonesie, Arabe, Austronesia. Ity foko ity efa nisy teto Madagasikara tamin'ny taon-jato faha-5 hatramin'ny faha-12. Ny hoe "Vezo" dia azo heverina ho avy amin'ny teny hoe "Bajau" midika hoe mponina an-dranomasina. Ny foko Sakalava sy ny Mahafaly no nipoiran'ny foko "Vezo". Ny Vezo dia foko mpifindra monina, fa niara-nonina tamin'ny Vazimba. Rehefa tera-bao ny vezo dia atao anaty ankorandriaka ny tadipoitra dia alefa an-dranomasina...
Manambara ny Gaudium Et Spes n°2 fa ny Fiangonana dia tsy faly noho ny hery na ny fahefana ananany fa satria Kristy velona no ao aminy ; Izy no fahazavana sy fahamarinana atolotry ny Fiangonana ho an'izao tontolo izao. Ny hafalian'ny Fiangonana dia miorina amin'ny finoana dia Andriamanitra tonga nofo, niara-nonina tamin'ny olombelona, ary namonjy ny olona tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco