Miaina anaty tebiteby sy ahiahy ny zanak'olombelona ankehitriny, indrindra fa ny Kristianina Katôlika satria mihabetsaka ny mpanenjika sy mpanohitra ny finoana. Tsy tokony ho kivy anefa ny olona amin'ny fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny rariny satria vavolombelon'i Kristy. Mila fiadanana isika dia ny fiadanam-po fototry ny filaminana rehetra ; ny fitiavam-bavaka sy ny fahazotoana mamita adidy no fototr'izany ary atao amim-paharetana sy amim-panetrentena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.