Malaina manao vaksiny ny Malagasy anefa raha ny lefakozotra dia aretina mifindra ary misy mandavantaona. Aretina azo avy amin'ny tsimok'aretina (virus - poliovirus) ; mifindra amin'ny alalan'ny zavatra miditra any am-bava. Ny olombelona irery ihany no mitahiry ny poliovirus, miditra amin'ny vava manaraka ny lalan-kanina ary mitoetra any amin'ny tsinay. 3 hatramin'ny 50 andro ny mety hisehoan'ny fambaran'aretina eo amin'ny olona mararin'ny lefakozatra ; araka io iantsoana azy amin'ny teny Malagasy io dia ny hozatra no tafihany farany... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.