Ny fahitsiana dia ilaina amin'ny fanavaozana ny firenena : fizaràna vaovao, fampahafantarana ny vola nisy nanodikodina, miaina anaty firaisan-kina. Singa miavaka anaty fanavaozana ny  fahafahana maneho hevitra, ny fahafahana manaparika hevitra noho izany dia tsy voatery ho rafitra fotsiny no atao hoe fanavaozana. Ny fanavaozana dia miainga amin'ny tsirairay, ilàna fahitsiana ny fandraisana andraikitra. Kihon-dalana lehibe ny misy maneran-tany noho ny ady any Moyen-Orient, manova fo, toe-javatra ny vavaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Misy teboka miisa telo tokony hananana raha te hanana ho avy tsara isika dia : ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Mba ho azo antoka ny atao hoe fanavaozana dia misy dingana telo farafaharatsiny tsy maintsy atao ho zava-dehibe dia : ny fanadiovana, ny fanarenana ary ny fanavaozana. Manoloana ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn'ny Malagasy fa tsy izay tsindry avy any ivelany na tombontsoa manokana ; hantenaintsika mba ho olom-boatendry filamatra sy manana fahamarinana no hanana andraikitra eto amin'ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fifampitokisana dia fototry ny fifankatiavana ary fomba iray afahana miala amin'ny fahasarotapiaro. Ny olona tia dia olona tokony hiaina ny fahamarinana ihany koa. Ho fampandrosoana ny firenena dia mila mifampatoky sy firaisan-tsaina ny vahoaka sy ny mpitondra ; ialàna ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana. Isika Malagasy ihany no afaka hikaroka vahaolana amin'ny raharaham-pirenena fa raha ireo vondrona na fikambanana avy any ivelany dia mihonona amin'ny tombontsoany. Ny fanamarihana ny 29 marsa dia tokony hampitamberina ao am-po sy an-tsaina ny tena fitiavan-tanindrazana marina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...