Ny volana OKTOBRA dia azo ambara ho volan'ny fandresena sy fandraisan'andraikitra ho an'ny Tafika Malagasy sy ny Foloalindahy. Ny 31 oktobra 1991 no nivoahan'ny fifanarahana Panorama, vokatry ny fifampidinihina naharitra hateloana, tantara tsara hisintonana lesoa izany ; niavaka ity fifanarahana ity satria nahafahana nanaja ny Lalam-panorenana, faharoa namaly ny hetahetam-bahoaka ary fahatelo dia nahafahana nanomana fifidianana filoham-pirenena, zava-dehibe ny fiaraha-mitantana. Nanana anjara toerana lehibe hatrany ny Tafika Malagasy ho an'ny firenena sy ny politikam-pitantanana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...