♦ Hitohy anio alakamisy 10 septambra ny raharaham-pitsarana fangatahana fahafahana vonjimaika ao amin'ny fitsarana Bail And Remand Court an'ilay mpandraharaha Ravatomanga Mamy, atsy Maurice... ♦ Nahitam-bokany ny andro voalohany tamin'ny fandatsahana orana artifisialy tany Andekaleka hampiakarana ny tahan'ny famokarana herinaratra ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo nataon'ny Orinasa JIRAMA... ♦ Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny tale jeneralin'ny Aviation Civile de Madagasikara sy ireo mpiasa, niroso tamin'ny fitokonana fanairana arak'izany ny sendikan'ny mpiasa...

♦ Anatin'ny dian'ny Kôlônely Randrianirina Michaël any Paris ny firesahana ny tetik'asa Volobe sy ny fiatrehana ny fifidianana, mandritry ny fihaonany amin'ny filoha Frantsay sy ireo tompon'andraikitra avy amin'ny vondrona Eoropeanina... ♦ Foana manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny sokajy A1, A2 sy ny Sokajy C sy D ho an'ireo hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea, mihatra arak'izany ny sokajy L sy S ary ny O.S.E hoy ny Ministera... ♦ Tafakatra 4 irao olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny tonelina Ambohidahy ny talata tolak'andro teo, niampy vehivavy roa ireo tsy nahatohitra ny ratra nahazo azy...

• Mandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony iraisam-pirenena, mikasika ny habakabaka atao any Paris nanomboka androany, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Hihatra amin'ity taom-pianarana 2026-2027 ity ny sokajy L sy S ary OSE. Foana araka izany ny sokajy A1, A2, C ary D, araka ny fampahafantarana ofisialy nomen'ny minisitera tompon'andraikitra... • Harindra sy hatsaraina ny fampiharana ny paikadim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy 2024-2030. Tanjona ny tsy hisian'ny kolikoly, na olona marefo voailika intsony, amin'ny fisitrahana ireo fandaharan'asa fiahiana ara-tsosialy...

♦ Nafindran'ny A.R.A.I tao amin'ny kaonty fitanana an'ny Fanjakàna ny volan'ny orinasa INJET noho ny fanatanterahana ny didim-pitsaràna navoakan'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ny 19 aogositra 2026 teo... ♦ Fepetra vonjimaika noraisina hampiakarana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny fandatsahana orana artifisialy sy fanafarana fitaovana avy any ivelany hanamboarana ny fahasimbana ao amin'ny TAC1 ao Ambohimanambola... ♦ Mivadika ho herisetra sy fandratrana olona ny raharaha ady tany teo amin'ny mpitandrina iray sy ireo Fokonolona ao amin'ny Kaominina Ambatomanjaka...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...