♦ Vonona ny hanohana an'i Madagasikara amin'ny fampandrosoana ny lafiny angovo, rano, ny sehatra tsy miankina, ny fambolena sy ny famoronana asa ny banky iraisam-pirenena... ♦ Nankatoavina nandritry ny filan-kevitry ny Minisitra omaly ny fananganana ny kaomisaria ambony ho an'ny tanora misahana ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena sy ny ady amin'ny kolikoly, teo koa ny fananganana masoivoho Malagasy any amin'ny repoblika Arabon'i Ejipta... ♦ Marihina anio 30 septambra ny ivon'ny fankalazana ny faha-65 taona nijoroan'ny pôlisim-pirenena, "polisim-pirenena hiaro sy hanampy ny vahoaka" ny teny filamatra amin'izany...
♦ Voasambotry ny zandary ary hanaovana fanadihadiana ao Maevantanana ny solombavambahoakan'i Madagasikara teo aloha Rahantanirina Nina sy ny zanany lahy... ♦ Vonona hiatrika ny rivo-baovao amin'ny fiovana ara-pitaovana sy hanatsara ny tolotra omena ny mpikambana ny Tahirim-pirenena ho an'ny Fiahiana ara-tSôsialy (CNaPs) ho an'ny 70 taona ho avy... ♦ Kely ny fanantenana ho an'ny ekipam-pirenena Malagasy Barea afahana mandray anjara amin'ny lalaon'ny CAN 2027, nisaraka ady sahala 01 no ho 01 ny lalao nifanandrinany tamin'ny ekipam-pirenen'i Tanzanie...
♦ Nomarihana androany ny ivon'ny faha-10 taona Centre hospitalier Privé Saint Benoît Menni eny Imerintsiatsosika... ♦ Misokatra amin'ny tsena iraisam-pirenena ny vokatry ny fiompiana sasany eto Madagasikara, afatsy ny omby. Isan'izany ny tantely... ♦ Tsy afa-bela tamin'i Ekipam-pirenen'i Tanzanie indray ny Barea an'i Madagasikara, nisaraka ady sahala ny lalaon'ny roa tonta androany, tamin'ny lalao andro faharoa tafiditra amin'ny fifanintsanana CAN 2027... ♦ Mbola mandrahona ny handaroka baomba ireo foto-drafitr'asa any Moyen-Orient i Iran...
♦ Hiatrika lalao faharoa amin'ny fifanitsanana handehànana any amin'ny CAN 2027 anio hariva ny Barean'i Madagasikara. Lalao hifandonan'i Madagasikara amin'i Tanzania ao amin'ny stade d'honneur de Maknès any Maroc... ♦ Mila havaozina ny fanaovana pôlitika eto amin'ny firenena, ka tokony hirosoana ny dinika pôlitika hoy ny antoko RPSD. Nanao sonia ilay sata fitondran-tena ho an'ny dinika pôlitika novolavolain'ny VMFR ity antoko ity... ♦ Miantso vonjy manoloana ny savorovoro ara-piaraha-monina misy ny mponina any Ankililoake distrikan'i Toliara-II. Savorovoro nandritry ny lanonana "savatsy" niafara tamin'ny doro tanàna...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco