• Mitaky ny hanafahana ny Depiote Sahondrarimalala Marie Michelle ny zanak'i Fianarantsoa. Fanosoram-potaka azy, izao mihatra aminy izao, hoy ireo ray aman-dreny any an-toerana... • Nametrahana toeram-pitsaboana sy fanavahana, na CTI, miisa dimy eto Antananarivo. Handraisana sy hanavahana ireo marary voan'ny aretina MPOX no tanjona, hoy ny fitondram-panjakana... • Marolafy ireo olana sedrain'ny orinasa sy ny indostria malagasy, raha ny fantatra nandritra ny fakan-kevitra azy ireo, hiatrehana ny fikaonan-doha ara-toekarena hotanterahana amin'ny herinandro...

♦ Miainga any ny hetsika fanombohana ny fanaovana ho biometrique ny mombamomba ny olom-pirenena. Hetsika tanterahin'ny Ministeran'ny Atitany, ka efa nisy ny fanentanana ny olom-pirenena hanoratra anarana ho amin'izany... ♦ Efa nanafatra vaksiny fanefitry ny MPox ny Fanjakàna Malagasy, iadiana amin'ity aretina ity. Ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo marefo no hisitraka izany voaloha, hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka omaly... ♦ Mbola afaka hisitraka ny AGOA i Madagasikara. Nankatoavin'ny Kongresy amerikanina ny volavolan-dalàna fanitarana 3 taona io fandaharan'asa io, ho an'ireo firenena afrikanina mahafeno fepetra aty atsimon'i Sahara...

♦ Mitaraina ho marary indray Andriamatoa  Mamy Ravatomanga amin'ny fidirany am-ponja atsy amin'ny Nosy Maorisy. Nampita vaovao momba izany tamin'ny Fitsaràna Bail and Remand Court, omaly, ny mpisolovava azy... ♦ Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatakandro an-dRamatoa Marie Michèlle Sahondraharimalala ny fikambanam-behivavy mpanohana azy. Valo andro omaly no nitazonana azy... ♦ Nisy trangan'aretina nendran-drajako 8 hafa indray hita, raha ny tarehimarika farany navoaky ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tafakatra 207 hatramin'izao ireo tranga MPOX misy eto Madagasikara...

♦ Nankalaza ny andron'ny manamboninahitra ny tafika Malagasy androany, ho fanomezam-boninahitra ny soatoavina sy ny fomba amam-panao ara-miaramila, natao hanamafisana ny firahalahiana sy ny firaisan-kina eo amin'izy ireo... ♦ Mitaky ny hamoahana ny Ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, sady solombavambahoaka Sahondraharimalala Marie Michèlle ny fikambanam-behivavy miara-dia sy manohana azy... ♦ Miara-miasa sy manohana ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny Hopitaly Anosiala ankehitriny ny iraka mpitsabo Sinoa ; manoloana ny ady amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina MPOX...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...