♦ Voatendry ny anaran'ireo mpikambana ao anatin'ny kômity teknika misahana ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Vondrona pôlitika maromaro no efa nakàna hevitra momba ny fanomanana ny fifidianana teny Iavoloha. Tena fakàn-kevitra no natao fa tsy dinika pôlitika hoy ny Filohan'ny Antoko Ilo Mada, androany... ♦ Nankatoavin'ireo parlemanta amerikana roa tonta ny hanitaran ny AGOA amin'ny taona 2028. Antoka fahamarinan-toerana ho an'ireo mpanondrana sy mpampiasa vola eto Madagasikara izany hoy ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona matin'ny EBOLA any RD Congo...

♦ Mila hamafisina ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara hoy Profesora Mahazoasy Freddy. Apetraka ny sazy toa ny fametraham-pialàna ho an'ireo kandidà tsy mahatanteraka ny fandaharan'asany hoy ity mpanao politika ity... ♦ Mijoro amin'ny fomba ôfisialy eto Madagasikara ny Fikambanana FANJIRY. Tao Andemaka, Distrikan'i Vohipeno no nanaovana ny lanonana momba izany omaly... ♦ Nisafidy ny tarika Reko, ho masoivohony vaovao mandritry ny roa taona ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tarika manana ny lazany ankafizin'ny maro, indrindra fa ny tanora, nitsangana tamin'ny taona 2017...

♦ Nihaona tamin'ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé ny mpiandraiki-draharaha ao amin'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toe-karena i Etazonia... ♦ Nanamafy ny sendika ivondronan'ny kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana fa natao handrindràna ny tsena anatiny ny fanafarana vary, ary misy ny arofanina amin'ny fanafarana vary gaboraraka... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny vondron'olona mivoy sy efa mampihatra ny rafitra Fokonolona amin'ny fikaonandoham-pirenena ny antoko Fy-M...

♦ Hamafisina ny fifandraisana ara-barotra eo amin'i Madagasikara amin'i Etazonia. Nivoatra izany nandritry ny fihaonan'ny mpiandraiki-draharaha eo anivon'ny masoivohon'i Etazonia eto Madagasikara sy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, Dokotera Ramiarison Herinjatovo Aimé... ♦ Nametraka fanamby ny hampiakatra hatrany amin'ny 40% ny tahan'ny vehivavy misehatra amin'ny pôlitika, sy ny fitantanana ny Firenena ny filoha vaovaon'ny vovonan'ny vehivavy misehatra amin'ny politika aty amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Voarakitra anaty bokibe iray, ireo antonta-kevitry ny voka-pikarohana momba ny Antrôpôlojia...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...